Taratra

Tsy vahaolana ny korontana

Samy varimbariana tamin’ny fetim-behivavy avokoa, omaly. Hadinodino fa hay misy otrikafo misoko mangina, mitarika any amin’ny fifanjevoan’ny samy Malagasy eto. Miseho lany ny fifampihantsiana. Tsy ny mpanao politika ihany, fa hatramin’ny mpianatra sy ny mpanabe. Zara raha nisy mpireska ny mpitandro filaminana naratran’ny mpanao fitokonana. Manginy fotsiny ny fitetezam-paritra ataon’ny […]

Talen-tsekoly novonoina : notsatohana antsy izy mianaka

Roa andro tsy nivoaka ny trano. Maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay ramatoa talen’ny Epp ao Antanimena, kaominina Manakambahiny andrefana sy ny zanany vavikely. Tranga mampalahelo. Hita faty omaly, tao an-tokantrano ilay renim-pianakaviana talen’ny EPP ao amin’ny fokontany Antani­mena, kaominina Manakam­bahiny andrefana, distrikan’ Ambatondrazaka. Maty niankohoka teo akaikiny ihany […]

Fakana an-keriny : karohina i Mamy Tiana Landry

Manomboka fantatra ireo olona rehetra voatondro ho ati-dohan’ilay fakana an-keriny tao Ambohimanarivo, Mo­rarano chrome. Ankehitriny, nivoaka ny didy fampisamborana an’i Mamy Tiana Landry Jacques. Fantatry ny maro hoe Landry ny lehilahy, ary karohin’ny mpitandro filaminana fatratra. Voatondro ho isan’ireo jiolahy naka takalon’aina telo izy. Mbola voasaringotra amina raharaha fikambanan-jiolahy sy […]

Navoaka ny entan’ilay vadintany… : mihoatra ny 100 tapitrisa Ar ny hofan-trano tsy voaloany

Niroso tamin’ny fanatanterahana ny didim-pitsarana ny vadintany, omaly, nanala ny vadintany nipetraka tamina villa iray eny Ambohibao, rehefa tsy nahaloa hofan-trano an-taona maro. Efa mihoatra ny 100 tapitrisa Ar ny hofan-trano tsy naloany… Tsy nandoa hofan-trano efa an-taona maro ity vadintany mipetraka eny amina villa iray eny Ambohibao ity. Voatery […]