Taratra

Arema : “Misahotakotaka ny politika”

“Misy ny fanontaniana hoe: misy fifidianana ve amin’ity taona ity? Betsaka ny manontany hoe: ahoana ihany ny fifidianana, handeha ve, ampy ve ny vola hanaovan azy… ? Misy miteny hoe hisy ny tetezamita, na izao na izatsy. Misahota­ko­taka ny politika”, hoy ny sekretera nasionalin’ny Are­ma, Ratsiraka Annick, teny Faravohitra, afakomaly, […]

Takaitran’ny rivodoza any Menabe : nitondra fanampiana ho an’ny traboina ny MMM

«Tsy haiko ny tsy hitsidika ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza «Freddy» Nitondra ny kely azo nentina izahay, ho fanamaivanana ny fahasahiranantsika mpiray taninjanaka amintsika, amin’izao voin-kava mahatratra izao», hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, nitsidika ny tany Morondava, afakomaly. Etsy andaniny, namory ireo mpikambana eo ani­von’ny […]

Loza voajanahary : hanampy ny Vondrona Eoropeanina

Fanamafisana ny fiaraha-miasa. Nandray ny kaomisera eoropeanina, momba ny fiahiana ny maha olona sy ny fiatrehana krizy, i Janez Lenarčič ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Notanterahina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fihaonan’ny roa tonta tamin’izany. Voaresaka ny momba ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika. Eo koa ny fiatrehana izany. Anisan’izany […]

KMF/Cnoe: “Mbola tsy tara ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana”

Nitondra ny heviny sy ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Anisan’izany ny momba ny hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity. “Ilaina ary heverina fa mbola tsy tara ny hirosoana amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fifidianana.” Io ny fanambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena hoe “Fifidianana sy fitantanan-draharaham-panjakana ary […]

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina : olona valo maty, fito hafa naratra mafy

Sempotry ny rano, voa­tsindrin’ny entana, ratra mafy. Toy izany ny fomba nahafaty ireo mpandeha valo tao ana­tin’ilay taksiborosy tra-doza afakomaly, teny amin’ny la­lam-pirenena faha 10. Ni­trangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo amin’ny tetezana Mahariry, fokontany Manakaralahy, kaominina Ejeda, distrikan’Ampanihy, afakomaly tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Tra-doza tamin’izany ny taksiborosy mampitohy an’i […]