Taratra

fakana an-keriny : namoahana didy fikarohana i Fano

Nivoaka ny didy fampisamborana an’i Mahaleojaona Fanomezantsoa na koa i Fano. Lehilahy voatondro ho ani­san’ireo mpaka an-keriny sy mitazona ireo takalonaina telo mianadahy tao Morarano Chrome. Ankehitriny, karo­hin’ny mpitandro filaminana fatratra ity lehilahy ity, noho izy voarohirohy tamin’iny asan-jiolahy iny. Ankoatra izay, mbola voasaringotra amina raharaha fikambanan-jiolahy sy fanodinkodinam-bola ary […]

Namono karana tao Toamasina : ankoatra ilay maty voatifitra, jiolahy iray tratra

Tohivakana hatrany ny fisamborana ataon’ny polisy amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana niharo fahafatesana teratany karana iray tao Toamasina, ny 4 marsa 2023 teo. Tratra tao Tanambao Verrerie ny iray amin’ireo jiolahy anisan’ny namono ity teratany indianina ity. Fantatra araka ny fanangonam-baovao nataon’ny polisy fa mpanangom-baovao ho an’ireo jiolahy mialoha ny […]

Nokarohina efa ela : lavon’ ny zandary Rabeny

Maty voatifitry ny zandarimaria avy ao Antsohihy, omaly, Rabeny ilay malaso nampitondra faisana ny mponina ao amin’ny kaominina Ankerika distrikan’Antso­hi­hy. Nokarohina efa ho he­rin­taona mahery ity olon-dratsy ka hita nihaodihaody tao amin’ny fokontany Antafian­dakana izy. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fokonolona. Raiki­tra ny fifanjevoana tokony ho tamin’ny 2 […]

Noho ny andro ratsy : lehiben’ny distrika lasan’ny rano

Niharan-doza tampoka, maty vokatry ny faharendrehan’ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy tao anaty rano ny lehiben’ny Distrika ao Ivohibe, omaly. Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny fiakaran’ny rano ny lehiben’ny Distrikan’Ivohibe, teo amin’ ny RN27, omaly. Tra-doza teo amin’ny tetezan’i Manarahi­ky, izay mirefy 600 m, 5 km miala […]

Tenisy ambony latabatra – «Afrique 2023» : mianto-tena dia tsy lasa i Santatra sy i Harena

Manomboka anio alarobia 8 marsa, atsy Djibouti, ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, eo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra. Anisan’ireo manana solontena hiatrika izany i Madagasikara. Tsy anisan’ireo hifaninana anefa i Santatra sy i Harena, mpilalaon’ny Acacia noho tsy fahampian’ny hoenti-manana. Nambaran’ny federasiona […]