Saika namoy ny ainy! Tratran’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray namaky trano teny Ambohipo, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) izy noho ity vaky trano nataony ity. Nahazo antso ny polisin’ny CSP2 fa misy trangana vaky trano eny amin’iny faritra Ambohipo iny. […]
Taratra
Fenoarivo Atsinanana : vola 6 tapitrisa Ar levon’ny afo
Nitrangana haintrano indray tao amin’ny fokontany Andranovola Fenoarivo Atsinanana, omaly atoandro. Trano lehibe dimy feno entam-barotra niaraka tamin’ ny jirofo ary tranohazo ireto hotohoton’ny afo ireto. Voalazan’ny tompon-trano iray fa lelavola 6 tapitrisa Ar no lasa lavenona tsy avotra intsony. Afo niainga tamin’ny afon-kitay nandrahoana sakafo tao an-dakozia no nitarika […]
Fitokonan’ny mpianatra : zandary roa naratra teny Vontovorona
Raikitra indray ny savorovoro niafara tamin’ny fifandonan’ny mpianatry ny ESPA Vontovorona sy ny mpitandro filaminana, omaly. Zandary roa naratra notifirin’ny mpianatra tamin’ny filesy… Maraina hatramin’ny tolakandro indray ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatr’i Vontovorona ESPA, omaly. Naratra vokatry ny tifitra filesy nataon’ireo mpanao fihetsiketsehana ny zandary roa anisan’ireo nandamina teny an-toerana. Naneho […]
Can 2024 : ” Omeo sehatra ny zandry kely” hoy i Anicet
Niteraka resabe ny fanapahan-kevitra noraisin’i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea fahiny. “Efa manakaiky ny fisotroan-drononoko aho ka aleo soloin’ireo zandrikely ny toerako”, hoy izy, tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. Nohamafisin’i Anicet fa tsy mitovy intsony ny herijika entiny tamin’ny Can 2019 sy Can 2024, ka nanapa-kevitra ny tsy hamonjy ny fampivondronana intsony […]
Tanora niharan-doza : niray fo sy nankahery azy ireo ny MJS
Nidina avy hatrany tany Fianarantsoa ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Andre Haja Resampa, vantany vao naheno ny lozam-pifamoivoizana nahazo ireo tanora avy amin’ny fitaleavam-paritra Matsiatra Ambony. Niray fo tamin’ny fianakavian’ny namoy ny ainy izy ary nankahery ireo naratra miisa 19 mianadahy, teny amin’ny hopitaly CHU Tambohobe Fianarantsoa. Tamin’ […]




