Taratra

Lahy sy vavy miara-mientana no izy !

Mankalaza ny andro maneran-tany natokana hoenti-miady ny zon’ny vehivavy isika anio. Makotrokotroka ny fankalazana, tanatin’ny andro maromaro izay, teto an-drenivohitr’i Madaga­sikara. Nanao angaredona ireo minisitera voakasiky ny fankalazana, indrindra fa ny entim-biavy. Tsy nahatsiaro tena ho vizaka ny vadin’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny fanenje­hana sy fanomezam-boninahitra ny rahavaviny sy ny […]

Fakana an-keriny: jiolahy valo, maty voatifitry

11 andro aty aoriana, tsy mbola navotsotr’ireo mpaka an-keriny izy telo mianadahy. Nihena ho 50 tapitrisa Ar ny sandan’ny takalonaina. Maty voatifitry ny zandary ny valo amin’ireo olon-dratsy tao Morarano Chrome. Mitohy hatrany ny “opération Ha­ra­to”, ataon’ny mpitandro filaminana ao amin’ny distrikan’Amba­tondra­zaka, momba ilay trangana fakana an-keriny tao Ambohima­narivo. Tafa­katra […]

Fandrobana indroa nisesy : voaroba ny vola aman-tapitrisa maro

Mirongatra ny tsy fandri­ampahalemana! Notafihan’ny dahalo efa-dahy nirongo basy ny tranona mpandraharaha iray tao Morafeno, distrika Soani­e­rana Ivongo. Ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina, niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ireo olon-dratsy. Tsy vitan’ny nandrahona ny jiolahy fa nanapoaka basy ihany koa. Vokany, voatifitra teo amin’ny tongony ilay […]

Fenoarivo : mpangalatra jiro amin’ny arabe naiditra am-ponja

Taorian’ny nanolorana azy teny anivon’ny fampanoavana, nidoboka am-ponja vonjimaika ny mpangalatra jiro manazava ny arabe mihazo an’iny kaominina Fenoarivo iny, afakomaly. Nahatrarana gony iray ity lehilahy ity rehefa nifanena tamin’ny zandary nanao fisafoana eny an-toerana, ny zoma 3 marsa teo. Natao ny fisavana izany gony izany kinanjo jiro avokoa no […]

Vono olona tao Canada… : jiolahy iray maty voatifitry ny FIP

Lavon’ny balan’ny poli­sin’ny FIP tao amin’ny cité Canada Toamasina, afakomaly hariva, ny jiolahy iray isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana namoizana ain’ olona tao an-toerana. Nitran­gana fanafihana mitam-piadiana nahafatesana teratany vahiny iray tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Ni­ro­so tamin’ny fanadihadiana sy ny angom-baovao avy ha­trany ny polisy ka fantatra fa mihaodihaody […]