Namiratra indray ny talenta malagasy teo anivon’ny fifaninanana afrikanina. Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Hary Joél. Miezaka hatrany anefa izy manatsara ny zava-bitany amin’ny alalan’ny fikarohana sy fifanakalozana amin’ny mpanatontosa kalaza. Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny mpandresin’ny Féstival panafricain du cinéma et de la télevision de Ouagadougou (FESPACO) […]
Taratra
Fanaraha-maso fifidianana : malalaka ny firaisamonina sivily
“Maro ny firaisamonina sivily efa naka fahazoan-dalana teny amin’ny Ceni, ary navela halalaka izay. Na izany aza, misy fe-potoana ny fahazoana maka an’izay”, hoy ny fanazavan’ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni foibe, Ravalitera Jacques Michaël, ny amin’ny fanaraha-maso fifidianana. Voafaritry ny lalàna ny firaisamonina sivily: tsy manao politika, fa manara-maso ny […]
Fivoaran’ny lalàna : nanamafy ny fahaiza-manaony ireo notera
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo teny Ivato ny fiofanan’ireo Notera ho fanatsarana ny asan’izy ireo hanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa. Natao izany hisitrahan’ireo manan-draharaha amin’izy ireo sy hanomezany torolalana sy hevitra ireo mila izany. Eo koa ny fivoaran’ny ankamaroan’ireo lalàna, amin’izao fotoana izao. Nitarika izany teny an-toerana amin’ izao fivoriambe izao […]
Diplaomaty hotendrena : nametraka fepetra ny Syncormae
“Momba ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny masoivoho: olona mahafehy ny diplaomasia no tokony ho amin’izany”, hoy ny filohan’ny Syndicat des corps du ministère des Affaires étrangères (Syncormae) eny anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Andria Razakandrema, manoloana ny fanendren’ny filohan’ny Repoblika ireo ambasadaoron’i Madagasikara any ivelany ato ho ato. Efa nisy fangatahan’ny sendikà […]
Fahasalamana manakaiky vahoaka: nijery ifotony ny fitsaboana mitety vohitra ny filoha
Nitohy teny Antsonjombe indray, omaly, ny hetsika fitsaboana mitety vohitra “Caravane médicale”, ankoatra ireo efa tanterahina any amin’ireo faritra. Anisan’ireo tonga teny an-toerana ny filoha Rajoelina Andry mivady. Mazava ny toromariky ny filoha amin’izao hetsika izao ny mba hampifanarahana tsara amin’ny aretina mahazo ny marary ny fanafody, omena azy ireo. […]




