Taratra

Fitantanana eo anivon’ny masoivoho any Frantsa : mitaky ny fialàn’ny mpanolotsaina voalohany ireo mpiasa

Hiroso amin’ny fitokonana, manomboka, anio ireo mpiasan’ny masoivoho any Frantsa. Namoaka fanambarana izy ireo, ny faran’ny herinandro teo, mitaky ny fanesorana ny mpanolotsaina voalohany eo anivon’ny masoivoho any Paris, Randimbiarisoa Ramiakoalisoa Mamonjisoa. Maromaro ireo anton’ny fitakiana amin’ny fomba fitantanana sy fomba fiasan’io mpanolotsaina io, araka ny fanambarana hatrany. “Eo ny […]

Fahamarinan-toerana politika… androsoana

Olana politika no anisan’ny fototra sy fositra mahatonga olana toekarena? Na ny mifamadika amin’izay: ny olana toekarena no miteraka fahasahiranana politika. Saingy na ahoana na ahoana, saika mifaningo-paka amin’izy roroa ireo hatrany ny olana sosialy: mahatonga olana sosialy saro-bahana sy mitarazoka, ohatra, ny olana toekarena amin’ny firenena mahantra. Toy izany […]

Mpamboly hazo niharan-doza: olona 1 maty, 19 naratra

Tanora avy namboly hazo tao Andriana tra-doza teo amin’ny RN7, teo Andohasahamarina, kaominina Talatan’Ampano, distrikan’i Vohibato, afakomaly tolakandro. Namoy ny ainy ny mpanampy ny mpamily. Olona 19 naratra. Niady tamin’ny fahafatesana nandritra ny alin’ny sabotsy, namoy ny ainy, omaly tamin’ny 3 ora maraina, ny resevera an’ilay taksibrosy nitondra ny tanora […]

Andron’ny vehivavy: niara-nivavaka ireo vadin’ny mpitandro filaminana

Nangata-pitahiana sy niara-nivavaka ireo vadin’ny mpitandro ny filaminana, omaly. Nohamafisin’izy ireo nandritra izany ny tokony hanabeazana ny ankizivavy malagasy. Mba ho antoky ny fampandrosoana lovain-jafy. Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Chapelle Mi­litaire Ampahibe ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana. Mba ahatsiarovana sy angataham-pitahiana ho an’ny vehivavy sy ny fire­nena. Nanatrika izany ny vadin’ny filoham-pirenena, […]

Rugby – XXL Top 20 : hanokatra ny lalao ny Uscar sy ny 3FAI

Hotanterahina rahampitso ny andro voalohany ho an’ ireo vondrona hafa amin’ny fifaninanana XXL Top 20. Hanokatra ny lalao ny fihaonan’ny Uscar sy ny 3FAI Ambalavao Isotry. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Makis Andohata­penaka. Miandry ny ekipan’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny rehetra. Naka mpilalao kalaza maro ny ekipan’ny CUA. […]