Hiroso amin’ny fitokonana, manomboka, anio ireo mpiasan’ny masoivoho any Frantsa. Namoaka fanambarana izy ireo, ny faran’ny herinandro teo, mitaky ny fanesorana ny mpanolotsaina voalohany eo anivon’ny masoivoho any Paris, Randimbiarisoa Ramiakoalisoa Mamonjisoa. Maromaro ireo anton’ny fitakiana amin’ny fomba fitantanana sy fomba fiasan’io mpanolotsaina io, araka ny fanambarana hatrany. “Eo ny […]
Taratra
Fahamarinan-toerana politika… androsoana
Olana politika no anisan’ny fototra sy fositra mahatonga olana toekarena? Na ny mifamadika amin’izay: ny olana toekarena no miteraka fahasahiranana politika. Saingy na ahoana na ahoana, saika mifaningo-paka amin’izy roroa ireo hatrany ny olana sosialy: mahatonga olana sosialy saro-bahana sy mitarazoka, ohatra, ny olana toekarena amin’ny firenena mahantra. Toy izany […]
Mpamboly hazo niharan-doza: olona 1 maty, 19 naratra
Tanora avy namboly hazo tao Andriana tra-doza teo amin’ny RN7, teo Andohasahamarina, kaominina Talatan’Ampano, distrikan’i Vohibato, afakomaly tolakandro. Namoy ny ainy ny mpanampy ny mpamily. Olona 19 naratra. Niady tamin’ny fahafatesana nandritra ny alin’ny sabotsy, namoy ny ainy, omaly tamin’ny 3 ora maraina, ny resevera an’ilay taksibrosy nitondra ny tanora […]
Andron’ny vehivavy: niara-nivavaka ireo vadin’ny mpitandro filaminana
Nangata-pitahiana sy niara-nivavaka ireo vadin’ny mpitandro ny filaminana, omaly. Nohamafisin’izy ireo nandritra izany ny tokony hanabeazana ny ankizivavy malagasy. Mba ho antoky ny fampandrosoana lovain-jafy. Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana. Mba ahatsiarovana sy angataham-pitahiana ho an’ny vehivavy sy ny firenena. Nanatrika izany ny vadin’ny filoham-pirenena, […]
Rugby – XXL Top 20 : hanokatra ny lalao ny Uscar sy ny 3FAI
Hotanterahina rahampitso ny andro voalohany ho an’ ireo vondrona hafa amin’ny fifaninanana XXL Top 20. Hanokatra ny lalao ny fihaonan’ny Uscar sy ny 3FAI Ambalavao Isotry. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka. Miandry ny ekipan’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny rehetra. Naka mpilalao kalaza maro ny ekipan’ny CUA. […]




