Taratra

Tsy afa-miala !

Mazava ny lalan-kizoran’ny firenena ankehitriny. Tsy maintsy miroso amin’ny fanovana ny fitondrana. Miditra amin’ny fampidirana ekipa vaovao indray, hiara-hanamory ny lamasinina. Fito volana mialoha ny fametrahan’ny filoham-pirenena fialana , filaharam-be ny fanaterana CV na ny antontan-taratasy hifantenana ny hiondrana. Fepetra maromaro no takina amin’izay hifantenana, toy ny fandraisana anjara mavitrika […]

Fanovana governemanta: filaharambe ny fanaterana antontan-taratasy

Misahotaka ny mpanao politika. Ilaharana ny fidirana ny birao foiben’ny antoko mpanohana ny filoham-pirenena. Tsy hiova daholo ny mpikambana rehetra amin’ny governemanta. Homen-danja ny antoko sy fikambanana mitovy firehan-kevitra amin’ny fitondrana. Eo am-piandrasana izay anarana hisolo praiministra sy ny mpikambana vaovaon’ny governemanta ny olom-pirenena, indrindra ny mpanao politika. Vantany vao […]

Morafeno: nifampitifitra ny dahalo sy ny zandary

Naharitra ora iray ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny zandary nanao fanarahan-dia niaraka tamin’ ny fokonolona tao Ambo­di­manga, Morafeno ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy teo. Nentin’ny dahalo nandositra ny omby dimy an’ny olona iray tao amin’io fokontany io. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny lasibatra ka raikitra […]

Arivonimamo : varotra kamiao nivadika ho fisolokiana

Manana fitarainana avy amin’ny olona ny eny an­ivon’ny polisim-pirenena, ramatoa mpividy fiara, monina ao amin’ny fokontany Ata­boka, kaominina sy Dis­tri­kan’Arivonimamo no nivadi-pitokisana ka mampitaraina ireo izay sendra azy. Anisan’ ireo lasibatra ny renim-pianakaviana iray ao Antanifotsy. Nivarotra kamiao lehibe iray tamin’io ramatoa voatondro ho mpisoloky io izy. Misy taratasy fifanarahana […]

Efa nesoriny ny voamaso… : tratra teny amin’ i Esopa ny lohan’ilay ankizilahy

Nampihoron-koditra! Voa­sam­botry ny miaramila avy ao amin’ny bataillon infanterie Toliara tao Befandriana, om­aly, ny lehilahy iray antsoina hoe i Esopa, raindahiny amin’ ny halatra taova. Nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo niaraka tamin’ny zandary tao An­dranovorindrangataky, kaomi­nina ambanivohitr’i Soahazo, distrikan’i Morombe no nahatrarana azy. Mbola tratra teny aminy ny lohan’ny ankizilahy […]