Hotanterahina anio sy rahampitso ny lalao mandroso faharoa ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions 2023 » (LDC) taranja baolina kitra. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Real Madrid Fc, klioba espaniola sy ny Liverpool Fc, klioba anglisy. Dona hotanterahina ao amin’ny kianjan’i Anfield Angletera, […]
Taratra
Unicef : nanolotra fitaovana ho an’ny BNGRC
Nanolotra « drones » telo miaraka amin’ny kojakoja samihafa, ordinatera efa misy « logiciel » azo kirakiraina mifanaraka aminy, mitentina 40 000 dolara ho an’ny BNGRC ny Unicef, omaly. Nisolontena ny Unicef ny tomponandraikitra lefitry ny fandaharanasa, Gilles Chevalier. Ilaina amin’ny fanombanana ireo zavatra simba aorian’ny fandalovan’ny rivodoza ireo fitaovana ireo hanamorana ny fitondrana tohana […]
Fambolena: tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo
Ankoatra ny fizarana zezika natao faran’ny herinandro teo. Nisy ihany koa ny fanaovana soniam-piaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny orinasa tsy miankina sy ny vondrona samihafa. Isan’ny manosika ny fanjakana hanatratra ny vina napetrany izao natao izao. Nisy ny fanaovana sonia fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompina, niaraka tamin’ny JICA. Tanjona […]
Mpitondra tenin’ny tanora : voafantina Andriantsimba Hajaniaina Lucas
Anisan’ny tanora mendrika ka voafantina ho isan’ ireo mpitondra tenin’ny tanora maneran-tany Andriantsimba Hajaniaina Lucas. Nandalo dingana maro ny fifantenana izay nokarakarain’ny OMLMS. Marobe ireo mpifaninana tamina firenena marobe maneran-tany ka anisan’ny sangany ny kandida avy amin’ny Tily eto Madagasikara. Tanora an-jatony, araka izany, ireo nifanintsana sy nanolotra ny filatsahany […]
Rivodoza Freddy : Tombanana hivoaka an-dranomasina rahampitso
Hiditra an-tanety rahalina eo anelanelan’i Mahanoro sy Manakara ilay rivodoza mahery vaika Freddy. Tombanana ho 200 km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy ary harahina tafiotra manodidina ny 280 km isan’ora. Handrafitra ny toetry ny andro hatramin’ny rahampitso i Freddy. Omaly tamin’ny 3 ora, tany amin’ny 963 km atsinanana somary avaratra […]





