Nitondra ny vinan’ny fanjakana mikasika ny angovo ho an’ny rehetra ny filoha Rajoelina, nandritra ny loabary an-dasy natao any Addis-Abeba Etiopia. Lohahevitra ny hoe «Fiarovana ny hahazoan’ny rehetra herinaratra», izay fivoriana andiany faha-36, nihaonan’ny filoham-panjakana sy ny lehibe governemanta ao anatin’ny Vondrona Afrikanina, nisokatra omaly 18 febroary. Nilaza ny filoha […]
Taratra
Vola vahiny : nahazo aina kely ny Ariary
Miha mahazo aina kely hatrany ny sandam-bola Ariary tato anatin’ny iray volana farany, miohatra amin’ny vola Euro sy ny dolara. Araka ny antontanisan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), nisanda 4.549 Ar ny 1 Euro ny 17 febroary 2023 teo, raha efa 4.700 Ar tamin’ny 17 janoary. Nidina ho 4.288 Ar kosa […]
Fivarotam-panafody : nankatoavin’ny HCC ny lalàna vaovao
Nohamafisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenena (HCC), ny 25 janoary teo, fa mifanaraka tsara amin’ny Lalampanorenana ny tolo-dalàna mitondra fanovana ny sata mifehy ny tobim-panafody (Dépôt de médicament). Voakasik’izany ny sata mifehy ny fahasalamana efa nankatoavin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona, momba ny toeran’ny tobim-panafody eken’ny lalàna. Voalaza ao anatin’ny fanovana […]
Tomira Toliara: mpilatsaka an-tsitrapo 200 nanadio lakandrano tany Toliara
Mandray andraikitra amin’ny fanatsarana ny tanànan’i Toliara ny fikambanana Tomira. Nanao asa tanamaro nanadiovana lakandrano izy ireo, notohanan’ny orinasa Base Toliara. Manana tanjona hanatsarana ny tanànan’i Toliara ny kaominina an-dRenivohitra Toliara. Ankoatra ny fidiram-bolany manokana, misy koa ny fiarahana miombon’antoka amin’ny mpisehatra samihafa, ahazoany fitaovana. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Vita […]
Tatitra- Covid-19 : nahitana tranga vaovao telo eto Analamanga
Toy izao indray ny tatitra mikasika ny vokatry ny fitiliana ny valan’aretina Covid-19 tao anatin’ny herinandro, ny 11 hatramin’ny 17 febroary lasa teo. Miisa telo ireo tranga vaovao eto amin’ny faritr’Analamanga, raha ny tatitra omaly. Fantatra fa miaina ao anatin’ny trangana fahasarotana ny olona iray amin’ izy ireo. Efa manaraka […]





