Taratra

Nanota fady : mpianatra 50 mahery niharan-doza

Nisehoan-javatra hafahafa ny mpianatra 50 tao amin’ny CEG iray ao Tana­ma­koa, oma­ly. Nanimbazimba toerana fady tao amin’ny alan-javaboary Ivoloina, Toa­ma­sina izy ireo. Nivoaka nanao fitsangantsanganana tao amin’io toerana io ireo mpianatra niaraka tamin’ireo mpanabe, ny asabotsy lasa teo. Kilasy telo izy ireo, samy nanao ny fitsidihana. Novira­viran’ny mpianatra sasany tamin’ireo […]

Nanolan-jafikely : lahiantitra higadra 5 taona

Namoahan’ny fitsarana ambony didy higadra dimy taona an-tranomaizina ilay raim-pianakaviana nanolana ny zafiny vao sivy taona tao amin’ny kaominina Amboli­zana, distrikan’i Toamasina faharoa, omaly. Zanaky ny zanany lahy ity zazavavy kely niharan’ny filàna ara-nofo ity. Napetrak’io zanany io taminy mba handrato fianarana arak’izany ilay zaza. Ny alin’ny 10 aprily hifohy […]

Mpivady mpisoloky: vao avy nigadra, voasambotra indray

Tra-tehaky ny polisy ny mpivady nisoloky volan’olona tamin’ny « facebook » ny herinandro teo. Maro no velon- taraina amin’izy mivady, lanin’izy ireo ny vola azony. Tsy mety fay! Saron’ny polisim-pirenena ny herinandro lasa teo ireo mpivady nisoloky volan’olona tany Angarazy, distrika Morombe. Nahita filazana tao amin’ny tambajotra sosialy ireto mpivady ireto ka […]

Banky Iraisam-pirenena : hitohy ny fiaraha-miasa ho an’ny 5 taona manaraka

Ao anatin’ny fitsidihan-dRamatoa Victoria Kwakwa, filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena ao amin’ny faritra Afrika Atsimo sy Atsinanana. Dia nihaona tamin-dRamatoa Rabariniri­na­rison Rindra Hasimbelo, Minisitry ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola tetsy Alarobia, omaly 7 desambra ny filoha lefitra sy ny ekipany izay miasa eto Madaga­sikara. Ny fiaraha-miasantsika sy ny Bretton Woods […]

Harena an-kibon’ny tany: hanana Bam i Fenoari­vo Atsinanana

Ankoatra ny sehatry ny voly fanondrana, toy ny lavanila, ny jirofo, ny letisia, manana harena an-kibon’ny tany koa ny faritra Analan­jirofo. Mila fitantanana ma­homby anefa izany, amin’ny maha harena tsy azo havaozina azy. “Izay no antony nametrahana ny Biraon’ny fitantanan-draharahan’ ny harena an-kibon’ny tany (Bam) any Fenoarivo Atsi­na­nana”, hoy ny […]