Taratra

Filohan’ny Saps*: « Tsy maintsy atao ny fifampiresahana »

Notontosaina ny 18 oktobra 2022 ny fifidianana ny birao vaovao hitarika ny Sendika iraisan’ny mpiasa ao amin’ny statistika na Saps. Natao omaly teny amin’ny Instat eo Anosy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo aloha, Ratovoniony Njara sy vaovao, Randriam­be­lomahenina Noahery Ta­hiana. Nambaran’ny filoha teo aloha fa be ny vita nandritra […]

“Vary evoka”: Tanjon’ny vehivavy mpamokatra ny hanondrana any ivelany

Natao teto Antananarivo, omaly 25 novambra, ny loabary an-dasy mikasika ny vary nohatsaraina “vary evoka” (riz étuvé) niarahana tamin’ny vehivavy mpamokatra eto amin’ny Nosy. Fotoana nizarana traikefa, nitanisana ny olana, ary indrindra ny vahaolana, hampitomboana ny voka-bary sy ny fidiram-bolan’ny mpamokatra. Nikarakara ny fihaonana ny Africa Rice, tari­hin’ny Dr. Mujawa­marya […]

Judo – «TIMAD»: mpikatroka 80 hifaninana

Raikitra ny fifaninanana «Tournoi International de Madagascar» (TIMAD), ta­ranja Judo, tanterahina eny amin’ny kianja mitafon’An­korondrano, manomboka, anio 26 novambra. Mpika­troka 80 mianadahy ny hifaninana sy hiady ny amboara. Adin’ny Renioney sy ny Malagasy ny hitranga mandritra ny roa andron’ny fifaninanana, tsy tonga tamin’ny ora farany mantsy ry zareo Kaomoriana. 57 […]