Taratra

Anosizato: fatin-dehilahy natsingevan’ny rano

Nampiakarin’ny fokonolona tetsy Anosizato, omaly tao anaty rano ny fatin-dehilahy iray. Sady tsy nisy ratra no tsy nisy taratasy namantarana azy teny aminy. Tranga mampalahelo. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona no hita faty natsingevan’ny rano teny amin’ny fokontany Ankazo­toho Anosizato, omaly atoandro. Tokony ho tamin’ny 02 ora teo, nahazo […]

Basikety: tafiditra ao amin’ny Oak Hill Academy i Donovan

Tsy mitsahatra mivoatra ny mpilalao basikety mala­gasy, mandranto fianarana sy milalao basikety any ivelany. Fantatra izao fa hanohy ny fianarany sy ny fandrantoany ny taranja basikety, ao amin’ny Oak Hill Academy Rakotonanahary Donovan, mpilalao malagasy, anisan’ ny misitraka vatsim-piana­rana any Etazonia. Manomboka amin’ity volana janoary ity izy no hiditra ao […]

«Open d’Australie» : hanao famaranana i Djokovic sy i Tsitsipas

Hafana tanteraka ny lalao famaranan’ny taranja tenisy “Grand Chelem Open d’Aus­tralie”. Hihaonan’i Novak Djokovic, mpilalao serba laharana faha-5 amin’ny ATP sy i Stefano Tsitsipas, mpilalao grika laharana faha- 4 ny ATP ihany. Lalao izay atao ao amin’ny kianjan’ i Rod Laver Arena, rahampitso alahady 29 janoary. Raha hiverenana ny lalao […]

Lalaon’ny Barea: mangataka «écran géant» ireo mpijery

Ho fetin’ny baolina kitra ny eto Madagasikara amin’ ity asabotsy ity, amin’ny fanarahana mivantana ny dingana ampahefa-dalana, hiadiana ny ho tomponda­kan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”, tanterahina any Al­gérie. Na eo aza ny fisian’ny andro ratsy, tsy manakana ireo mpankafy ity taranja mpanjakan’ny fanatanjahantena ity, tsy hilanona […]

Chan 2022 – Barea sy Mambas Mozambique: miendrika famaranana kely ny fihaonana

Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny lalao ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompodakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”. Hiady toerana ao anatin’izany, ny Barea hifandona amin’i Mozambika. Hifantoka ao amin’ny kianja Constantine Algérie ny sain’ny mpitia baolina kitra, anio alina manomboka amin’ny 7 ora. Ho […]