Taratra

Fampivondronan-kery politika… Teraka ny vovonana “Lera”

Ambohipihaonan’ireo mpanao politika namondrona hery eo anivon’ny vovonana “Lera” ny teny Andoharanofotsy, omaly. Notsinkafonin’izy ireo ambony ambany ny fitantanan’ny mpitondra ny firenena.  Nahitsy ny lahatenin’ny depiote Johasy Eléonore. “Lera izao, hanafahana ny jadona mihatra amin’ny vahoaka ary itsipahana ny mpitondra mambotry firenena… Lera izao hananganana ny hambo-po hamerenana ny fahefana […]

Tsy adala ny vahoaka !

Misafotofoto, tsy hita izay handraisana azy ilay raharaha politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Atao hoe mafana na mangotraka kanefa toa mangingina sy mangatsiatsiaka manaraka ilay toetr’andro. Ny filoham-pirenena kapiten’ny ekipan’ny andaniny, manohy ny asany, toa tsy mihevitra ny disadisa politika miandry azy aty ambadika. Iretsy milaza ho mpanohitra, […]

Mpirahalahy niady… Maty nolerana antsy ny zandriny

Mamo avy nikarama izy mirahalahy. Noleran’ny zokiny antsy teo amin’ny tratrany ny zandriny. Tsy tanana ny aina, raha hamonjy hopitaly. Nosamborina ilay nahavanon-doza.   Niafara tamin’ny fahafatesan’ny zandriny ny adin’ireo mpirahalahy tao amin’ny fokontany Andranolava, kaominina ambanivohitr’Antsabotsy, distrikan’i Lalangina, afakomaly. Notsatohan’ny zokiny antsy teo amin’ny tratrany ilay zandriny. Nialana nenina, […]

Fikasana hivarotra « cocaïne »… Teratany nizerianina iray voasambotra

Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, omaly, ilay teratany nizerianina voasambotra teny Mandrosoa Ivato, ny talata teo. Heloka nanenjehana azy ny resaka varotra rongony mahery vaika «cocaïne ». Nahitana ity zava-mahadomelina ity tokoa teny aminy. Nilanja  3,47g izany niaraka tamina “cristal métamphétamine” milanja 4,03g. Tamin’io fotoana io, nampiahiahy ny fihetsik’ity lehilahy ity […]