Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny eo anivon’ny fampanoavana, mahakasika ilay polisy divizionera nidoroka zava-mahadomelina. Hiakatra eo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana “juge d’instruction” indray ny raharaha, anio. Efa nandalo ny fampanoavana izy omaly. Noho ny raharaha goavana, hiroso amin’ny fanadihadiana lalina ny fitsarana. Saro-pady rahateo ny vesatra hanenjehana azy. Izay voasokajy ho isan’ny […]
Taratra
Vonoan’olona teny Talatamaty… Jiolahy telo indray voasambotry ny zandary
Noraisim-potsiny! Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Talatamaty Ambohidratrimo ireo jiolahy telo tompon’antoka tamin’ny fandrobana narahana vonoan’olona. Namoy ny ainy tamin’izany ny teratany malagasy iray mizaka ny zom-pirenena alemà sy frantsay, ny 14 janoary lasa teo. Ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahafantarana fa ny efatra tamin’ireto jiolahy tratra ireto […]
Seranam-piaramanidina Ivato… Indianina nahatrarana volamena 1,5 kg
Noraisim-potsiny tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 20 janoary teo. Teratany indianina iray nahatrarana volamena tao anatina ranon-javatra sy niraikitra tamin’ny sombin-damba maromaro. Teo am-pitiliana ny entana, tsikaritry ny mpiasan’ny ladoany fa tsy mazavazava ny fisiana hamandoana tamin’ireo lamba folo teny amin’io vahiny io. Nanamafy ny fisavana, arak izany, ny mpiasan’ny […]
Fanohanana ny Barea Chan… Hiantohan’ny fanjakana ny “Visa” mankany Algérie
Andro iray sisa dia hiatrika lalao ampahefa-dalan’ny “Chan 2022” ny Barea. Horaisin’ny fitondram-panjakana an-tanana ny saran’ny “Visa” ho an’ireo mpanohana malagasy. Natao ho an’ireo Malagasy any ivelany, maniry ny ho any Algérie. Hotanterahina rahampitso ny lalao ampahefa-dalan’ny “Chan 2022”, hihaonan’ny Barean’ i Madagasikara sy i Mozambika. Manoloana izany, ho fanohanana […]
Volley-CCCZone 7… Tanjon’ny Bi’As ny ho « Top 4 »
Fandraisana anjara voalohany ho an’ny Bi’As, ivelan’i Madagasikara, ity fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, hatao any Maorisy ity, eo amin’ny taranja volley. Neken’ny CAVB mantsy ny fandraisan’izy ireo anjara, izay isaorany ny filoha lefitry ny Federasiona, Ranaivoson Mamy, niady mafy teo anatrehan’ny CAVB. Fifaninanana hotontosaina ny 25 febroary izao hatramin’ny […]





