Miantraika any amin’ny fomba famokaran’ny tantsaha ny fiovan’ny toetr’andro. Mila vahaolana azo tsapain-tanana sady maharitra izany. Antony naneken’ny Vondrona eoropeanina (UE), hanohana ny tetikasa Dingana amin’ny antsipiriany hanohanana ny fambolena tantanin’ny fianakaviana, afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro (Dinaamicc*). Mitentina 4.422.718 Euros ny tetibola hanaovana ny asa, ka avy amin’ny Vondrona […]
Taratra
Hamboly hazo… Maro ny fepetra ilaina raha te hahomby
Tsy ataotao fahatany ny mamboly hazo. Maro ny fepetra arahina raha te hahomby ny fambolena azy, izay miankina betsaka amin’ny tontolo manodidina. Araka ny toromarika avy amin’ny WWF, mila homanina mialoha, kojakojaina sy arahi-maso ny toerana nambolena. Mifameno ny fambolen-kazo sy ny voly manodidina. Mila mandray anjara ny mponina eo […]
Jirama… May ny taribin-jiro etsy Ambodivona
Nitaraina ny mpanjifa eto an-dRenivohitra, omaly, amin’ny fahatapahan-jiro. Araka ny vaovao avy any amin’ny Jirama, may ny taribin-jiro any ambanin’ny tany, tao amin’ny toby mpitsinjara herinaratra etsy Ambodivona, vokatry ny ora-mikija. Voatery nanapaka ny jiro mandritra ny adiny iray ny Jirama, nanarenana ny simba, omaly. Nasesy tamin’ny famatsiana miisa dimy, […]
Vokatry ny ora-mikija… Misy ny lalana arenina, maro no mbola tsy vita
Maro ny lalana tapaka amin’izao fandalovan’ny rivodoza Cheneso izao. Mandeha ny fanarenana ny lalana tapaka any amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN 4), eo amin’ny PK 378 sy ny 434+700. Nanomboka azo andehanan’ny fiara izany, omaly, na dia mbola mamotakabe aza. Manampy ireo, efa esorina koa ny tany nihotsaka any Ranomafana, RN […]
“Héroïne”: Lasan’ny polisy ny fanadihadiana an’ilay divizionera
Araka ny fiaraha-miasa eo anivon’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena, noraisin’ny eo anivon’ny polisy an-tanana ny fanohizana ny fanadihadiana mahakasika ny fisamborana ilay jeneraly polisy voasambotra tetsy By-pass, ny alatsinainy teo. Tsiahivina, voasambotry ny zandarimaria, tra-tehaka niaraka tamin’ny fitaovam-pidorohana zava-mahadomelona mahery vaika izy. Niroso tamin’ny fitananana azy vonjimaika, taorian’izay. Natolotr’izy […]





