Na inona na inona mitranga sy atao amin’izao, voatsaran’ny sasany ambony ho misy antony sy dikany ary vokany politika avokoa. Tandindomin’ny fifidianana? Velona ny hazakazaka amin’izany. Miseho lany ho azy etsy sy eroa ny fiteny amam-pihetsika feno fahitsihitsiana, fihantsiana, fanaratsiana Misy manao izay hankahalan’ny olona izay heveriny ho mpifaninana na […]
Taratra
Grenady nipoaka tao an-trano: tovovavy iray maty, naratra ny anadahiny
Maty ny tovovavy vao 17 taona. Naratra ny anadahiny iray. Nipoahan’ny grenady, izay nisy nanafina tao ambany fandrian’izy ireo. Tsy nisy nahafantatra ny fisian’ny grenady tao an-tranony, namoy ny ainy vokatry ny fipoahan’io fitaovana mahery vaika io ny zanaky ny tompon-trano tao Andongoza, fokontany Savahaonina kaominina ambanivohitra Andrainjato Est, distrikan’i […]
Nandroba lakozia: mpivavaka nifanenjika tamin’ny jiolahy
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Itaosy, teny Andranonahoatra, omaly, ny jiolahy mpamaky trano iray. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nifanenjehan’ny olona teny amin’ny faritra Andranonahoatra iny ity jiolahy ity fa tratra nangalatra tao amin’ny tokantrano iray. Naheno izany ireo polisy nanao fisafoana teny amin’ny manodidina an’Andranonahoatra ka nanenjika […]
Jiolahy voatifitra : saika handroba fitehirizana fitaovam-piadian’ny Tafika
Nirefodrefotra ny basy tao Analakininina Hopitaly be, omaly tamin’ny 04 ora maraina. Lavon’ny balan’ny zandary ny jiolahy raindahiny efa namaky trano faninefany tao amin’io toerana io. Naheno feon-javatra hafahafa ireo miaramila mifanila-bodirindrina tamin’ny lasibatra ao anaty toby ka nivoaka. Tsikaritr’izy ireo fa misy jiolahy efa teo ambony tamboho nananika ny […]
Varo-maizina: tratra ireo “Labradorite” 20 taonina tsy ara-dalàna
Saron’ny zandary tao Isoanala, ny alakamisy atoandro teo, ny fiarabe miisa roa nitondra vato 20 taonina. Avy any amin’ny faritra Bekily, nikasa hihazo ny renivohitra ireto kamiaobe nitondra vato indostrialy ireto. Tsy nanana taratasy mazava ny entana noentina rehefa natao ny fisavana. Karazam-bato “labradorite” ity notanterina antsokosoko ity. Tsy nisy […]





