Taratra

Ambohimanambola: fikambanan-jiolahy mitam-piadiana ravan’ny zandary

Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy iray. Olona fito voasambotra, ahitana vehivavy iray. Tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana eny Ambohimangakely sy ny manodidina izy ireo. Tohivakana ny fisamborana azy ireo nanomboka ny 18 janoary 2023 hatramin’ny asabotsy teo, araka ny fanazavan’ny zandary. Heloka anenjehana ity andian-jiolahy ity ny fikambanan-jiolahy mitam-piadiana, mpamaky trano, mpidoroka […]

Fanarenan-dalana: tsy voatery hisy antso tolo-bidy

Noresahana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny lalana. Na­hatsapa ny fanjakana fa nihazakazakabe ny fahasimban’ny lalam-pirenena nateraky ny vesatry ny fiara mifamezivezy aminy. Lasa niakatrabe tsy mifanaraka amin’ny lanja feran’ny lalàna manan- kery. Fa misy koa ny antony hafa manafaingana ny fahasimbana, toy ny tsy faham­pian’ny fikojakojana […]

COI : manentana ny olona ho fiarovana ny harena voajanahary

Mahazo vahana aty amin’ny faritra ranomasimbe In­dianina ny fanondranana antsokosoko ireo karazana bibidia sy zava-maniry arovana. Tsy mahakasika ny tontolo iainana ihany ny fiantraikan’ izany, fa eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny toekarena ihany koa. Tombanana 7 ha­tramin’ny 23 miliara dolara isan-taona ny fanondranana antsokosoko atao amin’ireo, ary betsaka ny […]

Ambositra : tombontsoa ho an’ny mponina ny fiompiana tantely

Naterin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC), Razafindravahy Ed­gard, tany Ambositra omaly, ny fitaovana fanodinana tantely ho an’Ambositra, faritra Amoron’Imania. Napetraka tany an-toerana moa ny Vovo­nana Platmiam* iarahan’ny tantsaha, ny kaoperativa ary ny mpandraharaha mpamokatra tantely iray volana mahery izay. Anisan’ny tompon’antoka amin’ny fampihodinana ny […]

Tohana FAPBM : faritra arovana 64 hahazo famatsiam-bola

Miampy 15 ny Faritra arovana (AP) hisitraka ny famatsiam-bola avy amin’ny Fikambanana misahana ny faritra arovana sy ny zava-mananaina eto Madagasikara (FAPBM) amin’ity taona 2023 ity. Nampitomboana ny isany sy ny famatsiam-bola satria mihazakazaka ny fahasimban’ny ala. Miisa 64 ny Rafitra faritra arovana (SAPM) amin’ny 123 eto Ma­dagasikara no hahazo […]