Taratra

Rennes- France: vehivavy teratany malagasy iray tsy hita popoka

Tsy mbola niverina teo anivon’ny fianakaviany Rabe­sandratana Laura. Vehivavy teratany malagasy, 31 taona mipetraka ao Frantsa. Tsy hita nanomboka ny 12 janoary teo izy. Toerana nahitana azy farany teny amin’ny manodidina an’i Rennes, tokony ho tamin’ny 06 ora hariva. Hatra­min’izao, tsy nahazoana vaovao intsony ity vehivavy ity. Tamin’io fotoana io, […]

Ambohimahasoa : trano nifatraran’ny kamiao tapaka hisatra

Tapaka hisatra, nifatratra tamina trano iray amoron’arabe ny kamiao lehibe iray tao Antalata, distrikan’ Ambohi­mahasoa, ny 15 janoary misasakalina. Avy any Ihosy, nikasa hihazo an’Antana­narivo ity kamiao ity. Talo­han’ny nialan’ny fiara tany an-toerana, nanamafy ny polisy ao Ambohimahasoa fa tontosa ara-dalàna ny fitsirihana fiara ary tsy nisy olana. Vao velona […]

Nanao amboletra: zaza 12 taona nalain’ ny jiolahy an-keriny

Nirongo basy, niditra an-keriny tao amina tokantrano tao Ambodirano distrikan’ Am­parafaravola ny alin’ny 14 janoary misasakalina. Niala ny hidim-baravarana, noraofin’ireto jiolahy ireto ny finday. Norongoin’izy ireo nanaraka azy ny zanaky ny tompon-trano. Vokany, nataon’ireo olon-dratsy takalon’aina io zaza io. Tetsy ankilany, tafaporitsaka nivoaka ny trano ireo ray aman-drenin’io zaza io. […]

Tarika Didy Alfa : nodimandry i Telina

Tohina ny fon’ny rehetra, indrindra ny mpankafy raha nahare ny fahalasanan’i Telina na Razafindrabary Telintsoa. Ny marainan’ny asabotsy 14 janoary 2023 ity mpanakanto evanjelika ity no nindaosin’ny fahafatesana. Araka ny vaovao navoakan’ny tarika Didy Alpha, tampoka tanteraka izao fahalasanan’i Telina izao. “Izaho mbola tsy miova fa mbola tia anao foana […]