Tsy araka ny vidim-bary ho 650 Ar, araka ny toromarika navoakan’ny fanjakana mikasika ny vidin’ny vary mora, ny zava-misy eny an-tsena. Mahatratra 700 Ar na 680 Ar ny kapoaka ivarotan’ny mpivarotra azy eny an-tsena. Misy ny maka tombony 70 na 30 Ariary amin’ny vidiny napetraky ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny varotra […]
Taratra
Ambohitrimanjaka-Andranotapahina : mampidi-doza ny fanahazam-bary anaty arabe
Miakatra tsikelikely ny vary amin’iny lemaka atsimo andrefan’Antananarivo iny. Tsikaritra tamin’ity herinandro ity fa velarin’ny olona any anaty arabe ny vary hatapy masoandro. Feno vary ny sisin’arabe manomboka eny amin’ny sampanana Andranotapahina hatreny amin’ny tetezan’Ambohitrimanjaka. Mitomandavana ny fanahazam-bary ary mila ho rakotra ny antsasaky ny arabe andaniny sy an-kilany. Manginy […]
Minisitra Soafilira Princia : tsy mivaro-janaka ny any Ikongo
Nanao fanambarana, omaly, ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Soafilira Princia fa fomba entin’ireo tsy mitovy fijery politika handotoana ny fanjakana ny tsaho aely mikasika an’Ikongo. Tsy mivaro-janaka ny Malagasy fa fomban’ny mpianakavy kosa ny mitaiza sy manatafita ny zana-kavana rehefa misy ny fahasahiranana. Mazava ny fanambaranan’ny komity […]
Toeram-pandraisana ny ankizy niharan’ny herisetra -CUA : 764 ny ankizy nokarakaraina tao anatin’ny enina taona
Nitombo isan-taona ny isan’ny zaza raisina an-tanana ao amin’ ny ivontoerana fandraisana ireo ankizy niharan’ny herisetra ato anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra miorina eny amin’ny BMH Isotry. Ny taona 2017, nahatratra 133 ny zaza nandalo tao amin’ny ivontoerana ary tafiakatra 181 ny taon-dasa, araka ny fanazavana. Ireo ankizy tsy nisy mpiahy […]
Andramasina: mifarimbona ny mpitatitra manamboatra ireo lalan-dratsy
Naneho firaisankina ny mpitatitra mandeha amin’iny lalan’Ambohimiadana Andramasina iny. Hifarimbona amin’ny fanamboaran-dalana izy ireo ka nivonona amin’ny fandraisana anjara mivantana hanatsarana ny asa fitaterana, izay fiveloman’izy ireo mihitsy. Tena potika tanteraka ny ampahan-dalana eo anelanelan’Ambohimiadana sy Anempoka. Velon-taraina ireo mpitatitra fa sady manimba fiara no mamono antoka tanteraka satria ela […]





