Taratra

Filoha Rajoelina Andry : “Hohamafisina ny fanampiana ny Foloalindahy”

Nomarihina, omaly, ny Andron’ny manamboninahitra eo anivon’ny tafika. Nam­baran’ny filoha Rajoelina An­dry tamin’izany, teny Iavo­loha fa mariky ny firaisankina sy ny fiombonam-po ireo ta­nora avy amin’ny faritra ma­nerana ny Nosy eo anivon’ny manamboninahitra. Nanteriny fa hohatevenina sy hamafisina hatrany ny ezaka efa natao. “Vonona hatrany izahay, amin’ ny maha filoha […]

Fitiavana mihatra aman’aina

Nanakoako manerana ny Nosy, omaly, ny andro ho an’ny manamboninahitra teo anivon’ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena. Andro izay tsy fanaovam-pety fotsiny, fa andro manamarika ny fizakan-tena sy ny fahavononana hanompo hatrany an’ity Madagasikara malalantsika ity. Andro izay hametrahana fanamby goavana ihany koa ho an’ny vata-miaramila tsirairay eo am-panatanterahana ny asany. […]

Fankalazana “12 janvier”: manamboninahitra efatra naratran’ny grenady

Manamboninahitra efatra, miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Fianarantsoa no naratra, omaly. Nipoahan’ny grenady mamparenin-tsofina, nentina namoha-mandry, tamin’ny fetin’ny manamboninahitra izy ireo. Saika zava-doza no niseho tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, ta­min’ny fankalazana ny An­dron’ny manamboninahitra, omaly. Toy ny fanao mahazatra, izay niraisan’ny toby miaramila, misy tafika na zandary […]

Mahamasina : vehivavy tratra nanao sinto-mahery

Tsy ampoizina intsony ireo heverina ho olon-dratsy! Sa­rona nanao sinto-mahery ny vehivavy iray vao 18 taona, tetsy amin’ny tsenan’i Maha­masina omaly. Nandritra ny fisisifan’ny mpandeha an-tongotra, nanararoatra ity tovovavy ity. Tsi­karitry ny polisy manao fanamiana sivily iray teny an-toerana anefa ny fihetsik’io tontakely io. Narahiny akaiky arak’izany ity farany. Poa […]