Taratra

Sendra nandalo: tovolahy matin’ny herinaratra

Namoy ny ainy ny tovolahy iray vokatry ny herinaratra tamina tariby matanjaka nofaohan’ny kamiao nandalo tao Anketro/Ambalakatsaka, distrikan’Ambatofinandrahana, oma­ly mitataovovonana. Tsy nanampo na inona na inona, sendra nandalo tamin’ny arabe ity tovolahy ity. Voafaokan’ny kamiaobe iray tampoka anefa ny tariby mitondra herinaratra. Nandray io tariby io ity tovolahy ity ka […]

Raharaha Hianja, ilay tovovavy 15 taona maty : naiditra am-ponja ilay mpampiasa azy

Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja ilay rangahy nampiantrano an’i Hianja, ilay tovovavy 15 taona maty, andro vitsy lasa izay. Nalefa am-ponja vonjimaika ihany koa ny mpamily taksiborosy tsy nanana taratasy mazava nitondrana ny razana. Hotsaraina ny alarobia 25 janoary izao ny raharaha momban’i Hianja, ilay tovovavy 15 taona maty […]

Fitendrena gitara: mizara ny traikefany hatrany i Arnito Flamenca

Tontosa ny alarobia 11 janoary 2023, teny amin’ny Hotel GV INN eny Andre­fan’Ambohijanahary ny lanonana famaranana ny “Master­class International de guitare”. Hetsika nokarakarain’ny EGM Madagascar, isan’ny nizaran’i Arnito ny traikefa sy ny fahaiza-manaony ho an’ny mpitendry gitara malagasy. Nandritra ny 4 andro ny hetsika ary maimaimpoana ny fandraisana anjara tamin’izany. […]