«Efa nandray ny andraikiny ny fanjakana tamin’ny fametrahana ny saina mena eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana, Ambohidempona ary Faravohitra sy ny manodidina. Ampahafantarina ny fisian’ny tandindon-doza ny toerana iray ka tokony handray fanapahan-kevitra mifandraika amin’izay ny mponina», hoy ny tale jeneralin’ ny BNGRC, omaly. Fokontany 15 ahitana mponina 10 000 no voakasiky […]
Taratra
Taona 2022 : 2170 ny CSB nahazo fampitaovana
Nanao tombana ny fampitaovana teny amin’ny CSB ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an’ny taona 2022. Fantatra tamin’izany fa miisa 2170 ireo CSB nisitraka famatsiana ara-pitaovana nifandraika tamin’ny filana eny ifotony. Miankina amin’ny fangatahana ataon’ny tobim-pahasalamana no namaliana ny filany mba hanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana. Nahitana kidoro 800 isa sy latabatra […]
BNGRC : efa vonona amin’ny fiatrehana ny rivodoza
Tamin’ny taon-dasa no efa niomana amin’ny fiavian’ny fotoam-pahavaratra sy ny rivodoza ny BNGRC sy ny mpiray ombon’antoka. Vonona ny fitaovana sy ny toeram-pandraisana. Efa voasoratra ao anatin’ ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana (LFI) taona 2023 ny sorabola 2 miliara Ar anjaran’ ny fitondrana malagasy amin’ ny «Fonds national de contingence», […]
Eran-tany
Matetika ankehitriny ny fahatapahan-jiro any Kiev hatramin’ny nisian’ny ady Ukraine. Maharitra fotoana lava ny fahatapahan’ny herinaratra, indrindra hatramin’ny fandarohan’ ny Rosianina ireo fotodrafitrasa any an-toerana. Ao renivohitra Kiev, efa matetika izao ny fahatapahan’ny herinaratra, ary manomboka zatra izany ny mponina. Efa manomboka zatra ny tsy fisian’ny herinaratra ny mponina, mihena […]
Madagasikara: vitsy ny olona am-perinasa
Mahazo vahana ny tsy an’asa manerana ny Nosy, mahatratra hatrany amin’ny 80 % ny olona tokony hiasa, araka ny tombantomban’ny olona iray ao amin’ny minisiteran’ny Asa. Maivana dia maivana ny tahan’olona am-perinasa, 3 % hatramin’ny 4 % ny tanora, ary 1,5 % izany manerana ny faritra. Nanambara ny ao amin’ny […]





