Maty voatifitry ny zandary ny roa tamin’ireo nanafika sy nandroba mpivarotra tao amin’ ny fokontany Mahatazantsoa, kaominina Andranofasika distrikan’Ambatoboeny, ny asabotsy teo. Tokony ho tamin’ ny 08 ora sy sasany alina teo, naharay antso ny zandary fa voatafika ny tsena iray ao an-toerana. Voaroba ny vola 1.750.000Ar, finday iray, firavaka […]
Taratra
Jly Rakotonirina Richard: «Zava-dehibe ny diplomasia ho fiarovana ny fiandrianam-pirenana»
Zava-dehibe ny diplomasia ho fiarovana ny tombontsoa sy ny fiandrianam-pirenena, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, tetsy Anosy, omaly. Natao hifandraisana amin’ny any ivelany, indrindra manoloana ny fivoarana misy sy ireo ambana maro miseho eo amin’ny sehatra ara-jeopolitika maneran-tany izany. Nambarany fa manana anjara […]
Faritra Antsinanana: haintrano mahatsiravina, trano roa kilan’ny afo
Nitrangana haintrano mahatsiravina tao Mangarivotra parisela 21/52, ny alakamisy lasa teo. May kilan’ny afo tanteraka ny trano miisa roa misy rihana. Tonga teny an-toerana namono sy nifehy ny afo ny avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina raha vao nahare ny antso vonjy. Voafehy haingana ny afo noho ny fiaraha-miasa teo […]
Barea sy Niger: Rava ady sahala
Tapitra omaly ny lalao fanomanana hiatrehana ny Chan 2023, izay atao any Algérie, ny 13 janoary hatramin’ny 4 febroary. Nirava ady sahala samy tsy nisy nitoko ny fihaonana teo amin’ny Barea de Madagascar sy Niger, omaly. Lalao izay natao tao amin’ny kianjan’ny La Cigale Tubarka Tonizia. “Mbola misy foana ny […]
Fampianarana : hodinihina any Genève ny famatsiam-bola
Misolo tena an’i Madagasikara mandritra ny kaonferansa avolenta momba ny famatsiam-bola ny tahiry ho an’ny «tetikasa fampianarana tsy afa-miandry», ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena malagasy. Fihaonana izay hotanterahina any Genève, ny 16 sy ny 17 febroary 2023 izao. Ny volana septambra tamin’ny taon-dasa no efa nanao antso avo ny tahiry eran-tany ho […]





