Taratra

Filohan’ny Antenimierampirenena : “Aoka hatsahatra ny fifampihantsiana…”

Nifarana, omaly, ny fivoriana ara-potonan’ny Antenimierampirenena. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity ny antso avo, ho an’ny rehetra. «Mbola hamafisiko eto fa ny isavorovoroan-kilantoana. Ary izay tsy miady, olom-bodo; fa ny to fo, mpamosavy. Misy akana lesona ny zava-nitranga teto izay. Koa samia maka onon-draha na mandinika. Ny firaisankinan’ny solombavambahoaka […]

Jery taratra…: Mifamahofaho

Nifarana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny parlemanta. Hifarana koa ny disadisa eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna? Taorian’ny fitsipaham-pitokisana nandamoka nokasain’ny Antenimierampirenena hatao tamin’ny governemanta, nofoanana ny fifanatrehan’ny governemanta amin’ny parlemanta. Efa misy ny fitoniana? Na mbola mifamahofaho… Nilaza ny solontenan’ny Vondrona afrikanina fa tsy ahiana ny toe-draharaha eto […]

Fanjakana tsara tantana : ho avy ny famatsiam-bolan’ny MCC Amerikanina

Nanamarika ny dian’ny filoha Rajoelina mivady, tany Etazonia ny fihaonana tamin’ny filoha tale jeneralin’ny “Millennium Challenge Corporation – MCC’, i Alice Patterson Albright. Noderain’ ity tompon’andraikitra ity ny ezaka natao ka nahazoan’ny firenena naoty tsara amin’ny ankamaroan’ireo fepetra ta­kian’ny MCC, ahazoana ny famatsiambola. Eo ny fitondrana tsara tantana, ny fahafahana […]

Iray ny fanamby

Hifarana ny taona, manomboka ny fanaovana jery todika, ho an’ny isam-batan’olona, ny vondrona sy fikambanana, ary ny eny anivon’ny andrimpanjakana. Efa niaraha-mahalala anefa ny toe-draharaha niainan’ny vahoaka malagasy, sy ny firenena nandritra ity taona 2022 ity. Iza no tsy mikaikaika amin’ny vidim-piainana sy ny fahasahiranana isan-karazany. Mijaly ny ankabeazan’ny mponina. Izao […]

Tapaka tsokan-damosiny : tsy azo didiana, malemy i Sedera kely

Tsy azo esorina ny bala taraiky anatin’ny vatan’i Sedera kely. Tapaka ny tsokan-damosiny, malemy ny tapany ambany. Tsy afaka mivalan-drano. Tsy azo didiana mba ho fiarovana ny ainy, araka ny fanambaran’ny Profesora Rajaonahary Toky, etsy amin’ny CHUJRA. Trangam-piarahamonina iray, sady mampalahelo no mahasorena amin’ny afitsoky ny tsy fandriampahalemana ny nanjo […]