Maty tsy tra-drano ilay ankizilahikely fito taona voafaokan’ny fiara iray teny Andavabato, fokontany sy kaominina Soamanandrariny, distrikan’Antanifotsy. Naratra mafy kosa ny reniny sy ny zandriny vao herintaona monja. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina ny alakamisy teo, nandalo teny an-toerana izy telo mianaka saika hividy kafe hosotroina. Tsy nisy nanampo […]
Taratra
Anosibe : mpangarom-paosy dimy tratry ny polisy
Voasambotry ny polisy manao fanamiana sivily ireo mpanendaka teny Anosibe, omaly. Miandahy miambavy izy ireo no manao ity asa ratsy ity. Anisan’ny toerana mahamay amin’ny sinto-mahery sy harom-paosy iny faritra iny ka arahi-maso akaiky, hoy ny polisy. Midina eny an-toerana manara-maso ny faritra rehetra ny mpitandro filaminana manao fanamiana sivily. […]
Asan-jiolahy: gadra mandra-pahafaty, tratra any am-panafihana
Na efa nomelohin’ny fitsarana asa an-terivozona mandra-pahafatiny aza, voasambotra tamina raharaha fanafihana mitam-piadiana indray i Mbehoto sy ny namany tao Toamasina… Hatairana ny an’ny rehetra tao amin’ny efitrano fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava, nandritra ny fotoam-pitsarana ny antontan-taratasin’ady laharana faha-56-Toa/22-2133-RP anenjehana an’i Mbehoto sy ny namany. Samy jiolahy […]
Tetikasa PPAB 3 : hanatsara ny toeram-ponenana tsizarizary
Miaina anaty trano fonenana tsizarizary ny fokontany miisa 134 amin’ireo 192 eto Antananarivo Renivohitra. Misy ny Fandaharanasa fanamafisana ny toeram-ponenana tsizarizary andiany fahatelo (PPAB 3), natao tamin’ny fokontany efatra, ny eny Manarintsoa afovoany sy Atsinanana, Manarintsoa Anatihazo ary Andavamamba Anatihazo I. Natao, omaly, ny atrikasa hanamafisana ny PPAB 3. Nanatontosa […]
Fampandrosoana : tombanana ny mahakasika ny fiainam-bahoaka
Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, ny politika ankapobeny momba ny fampandrosoana nosoritan’ny governemanta hanaovana tombana. Manohana izany tombanezaka izany ny Unicef, Pnud, Clear*, ka nanofana mpanao tombana 51 avy amina sehatra samihafa, izay notolorana mari-pankasitrahana noho ny fahavitana fiofanana. Mari-pankasitrahana ankatoavina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra natao […]





