Taratra

Fiarovana ny tontolo iainana : hamoaka mpikabary ny Club Vintsy Famelona

Mihasimba ny tontolo iainana. Mila sahy sy mahay mandaha-teny ary maharesy lahatra ny fanarenana sy fiarovana ireo sisa tsy rava. Mila asandratra sy omen-danja sy hasina ny kolontsaina malagasy. Ireo mitambatra no anisan’ny nanosika ny Club Vintsy Famelona, ao amin’ny departemanta jeografia, fakiolten’ny teny aman-tsoratra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo hivoy sy […]

Kolontsaina Malagasy: mampahafantatra ny vakoka nentim-paharazana i Lovatiana Harinaivo

Mampiavaka ny firenena iray ny kolontsaina ananany. Maro ny firenena manary ny kolo­tsainy sy ny hasiny manoloana ny fanatontoloana. Maro koa anefa ny firenena mandroso miaraka amin’ny fanajana ny kolontsainy. Ao anatin’ny famerenan-kasina sy fampianarana ny fomba amam-panao sy soatoavina malagasy ny mpitahiry ny hasim-piandrianan’i Mada­ga­si­kara amin’izao fotoana izao. Misy […]

“Folle semaine de Noël »: handray seho roa ny IFM

Hiditra amin’ny andiany faharoa ilay hetsika « Folle semaine de Noël », karakarain’ny Institut Franco-Ma­la­gasy sy ny Fondation Akba­raly. Nampahafantatra ny hetsika izy ireo, omaly, tetsy amin’ny IFM Analake­ly. Fantatra nandritra izany fa seho roa no hatao amin’ity, samy ao amin’ny IFM Analakely avokoa. Ny voalohany ny zoma 16 desambra izao, manomboka […]

Vakinankaratra : hamaha ny olan’ny faritra ny Fiteva

Nihaona teny Ambatomi­rahavavy ireo avy amin’ny Fikambanana ifanampian’ny terak’i Vakinankaratra (Fite­va), ny asabotsy teo. Nirai­san’ny rehetra tamin’izany fa misedra olana ny any amin’ ity faritra ity. “Tsy afahany mi­voatra sy mandroso izany. Eo ny olan’ny fambolena sy ny fiompiana, velontenan’ny mponina”, hoy ny depioten’ Ambatolampy, Ramims. Nan­teriny fa mila fanohanana […]

Sekretera nasionalin’ny TGV : “Tsy vahaolana ny fitsipahana ny governemanta”

“Nifampiresahana tamin’ ny depiote fa raha esorina ny Praiminisitra; avy eo, hanolotra Praiminisitra vaovao, han­drafitra governemanta vaovao. Nefa ny fifidianana amin’ ny herintaona. Lasa lany an­dro amin’izany ny firenena”, hoy ny sekretera nasionalin’ ny TGV, Rasoamaromaka Hery, manoloana ny fitsipaham-pitokisana nandamoka. Tsy maintsy ifandeferana izany. Jerena ny tombontsoan’ ny Malagasy […]