Taratra

Miandry voan-dalana !

Anisan’ny firenena iray voaasa hanatrika ny fihaonambe an-tampony “Etazonia-Afrika” i Madagasikara. Midika izany fa manan-kasina imason’ny firenen-dehibe, anisan’ny sangany maneran-tany isika. Miampy izay, maro ny teratany malagasy mahazo mari-pankasitrahana manokana noho ny “fahaiza-manaony” sy ny “traikefa” ananany amin’ny lafin-javatra maro, toy ny ady amin’ny kolikoly sy ny fisintonana lakolosy, na […]

Tale nahafaty olona: mifanenjana ny governora sy ny fianakavian’ny maty

Voalaza fa nahafaty olona ny fiara nentin’ny tale iray ao amin’ny faritra Sofia. Naiditra am-ponja ny asabotsy saingy nivoaka ny alatsinainy izy. Tezitra ny fianakavian’ny maty. Sady nisafidy ny hangina no miaro ny olony ny governora Lylison René de Rolland. Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny tomponandraiki-panjakana ao Antsohihy sy ny […]

Tselatra

Voasambotry ny polisy, afakomaly, teny Androhibe ireo roavavy mpanao « certificat de négativité test PCR Covid19 » hosoka. Amidy 250.000Ar ny iray amin’izany ka ireo vahiny no betsaka manatona azy roa. Fantatra fa mpiasan’ny “Institut d’hygiène” Analakely tamin’ny andron’ny hamehana ara-pahasalamana ireto roavavy ireto ary nifindra teny amin’ny LA2M Androhibe ny […]

Vono olona-Andohalo: mpiandry « parking » efa nigadra, voasambotra

Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha momba ilay vono olona teny Andoha­lo, ny asabotsy teo. Voasam­botra ny andron’io ihany ilay voatondro ho nahavanon-doza. Tratra teo amin’ny toeram-piasany tsy lavitra ny nahitana ilay vatana mangatsiaka izy. Efa nigadra teny Antanimora ity lehilahy 45 taona ity. Ratsy fitondran-tena izy ary efa ikoizan’ny mponina […]

Mifoka sy mivarotra: mpanao trafikana héroïne dimy tratra

Naiditra am-ponja afakomaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ireo dimy mi­anadahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (héroïne). Voasambotry ny polisy mi­sahana ny ady amin’ny fi­paritahan’ny zava-mahadomelina, ny 9 desambra 2022, izy ireo. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, tratra teny Ankasina 67 ha ny telo. Tsi­ka­ritr’ireo polisy […]