Taratra

Moramanga: fotodrafitrasa maromaro natao manara-penitra

Nanolotra ny asa vita tao amin’ny fokontany Anta­na­mandroso- Est sy Ouest, kaominina Moramanga ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy toeram-ponenana (SENVH) ny asabotsy teo. Nohavaozina sy nampanarahana fenitra tanteraka ny lakandrano mirefy 574m ary ahitana dalot miisa telo izay handrindra ny fitarihan-drano sy hiaro amin’ny tondra-drano. Tsizarizary, niteraka loto […]

Fanalana fako: hiasa andro aman’alina ny kamiao

Nampahafantatra ny Fia­didiana ny tanànan’An­tana­narivo Renivohitra fa hohafainganina ny fandraofana ny fako eto an-tanàna, hahafahana miatrika ny fetin’ny Kris­masy sy ny faran’ny taona ao anaty fahadiovana. Misy fiantraikany amin’ny ora fiasana izany ka hitombo ny ora fivoahan’ireo kamiao mpitatitra fako amin’ny atoandro. Manantitra ny fialantsiny ny CUA amin’ny mety ho […]

Covid-19: faritra enina arahi-maso

Manao ny ainy tsy ho zavatra miasa andro sy alina ny mpiasan’ ny fahasalamana anatin’ ny ady amin’ny aretina Covid-19. Mbola faritra enina no ahitana ny valanaretina. “Mitohy ny asa, in­drin­dra eny amin’ireo faritra mbola ahitana trangana Covid-19, izay arahi-maso manokana”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, pro­fesora Randriamanantany Arivelo Zely, […]