Taratra

Fifaninanana sarimihetsika : nisongadina ny mpanatontosa malagasy

Manomboka miakatra eo amin’ny sehatry ny matihanina ny tanora malagasy, eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Tanora mpanatontosa malagasy roa no nandrombaka ny “Zebu d’Or”, amboara ho an’ny nandrombaka ny fifaninanana nandritra ny fifaninanana nandraisan’ny mpanatontosa afrikanina anjara. “Feno tanora manana talenta miafina aty Afrika. Manolotra azy ireo fahafahana miofana matotra no […]

Misaona ny zavakanto malagasy: nodimandry i Abel Andriarimalala

Lavo ny andrarezina ! Sehatry ny kanto maro no niriariavan’ny sanganasan’i Abel Andriarimalala. Tsy hikorisa intsony ny penina. Tsy ho heno mivantana sy tsy ho hita eny an-tsehatra intsony, izany rehetra izany. Araka ny vaovao nampitain’ny Havatsa-Upem, nodimandry, omaly 12 deambra 2022, teo amin’ny faha-83 taonany, tao Frantsa i Abel Andriarimalala. Toeram-pianarana, […]

Kitra vehivavy : misongadina i Vakinankaratra

Niavaka ny ekipan’ny AC Sab-Nam Antsirabe, amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra vehivavy. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Acmil Antsirabe, ny 9 – 17 desambra. Raha tsiahivina ny vokatra, fandresena indroa no efa azony ka anisan’izany ny nandreseny ny AJSAI Matsiatra Ambony, tamin’ny isa […]

Rallye Bosch CT Motors : Voalohany i Fred sy i Mick

Norombahin’i Fred sy i Mick, mpanamorin’ny klioba Asacm ny voalohany tamin’ny “Rallye Bosch CT Motors”. Dingana farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fifaninanana notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo. Tontosan’izy mirahalahy, tao anatin’ny ora 2 sy 08 mn ary 42,2 s ny dingana manokana “ES” miisa 12, notanterahina tamin’ity […]