Efa any Washington ny filoha Rajoelina mivady sy ireo delegasiaona miaraka aminy. Hanatrika ilay fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy ireo mpitondra fanjakana afrikana “Sommet US – Africa 2022”. Maherin’ny 50 ireo filoham-panjakana sy filoham-pirenena hiatrika izany any an-toerana. Anisan’ny maha zava-dehibe ny fihaonana, ny lafiny jeostratejika na diplaomatika fa […]
Taratra
Famerenana na fanarenana ifotony
Tsy milamina be ihany ny tontolo politika amin’izao: tsy hita be ihany, saro-binanina sy tsy ampoizina izay mbola mety hitranga… Hanao ahoana? Tsy inona fa ny amin’ny fitsipaham-pitokisana nandamoka saika nataon’ny Antanimierampirenena tamin’ny governemanta. Mbola mampanontany tena ny sasany ao anatiny na mpitazana ety ivelany izay antony fototra nampiatoana na […]
Mila fitoniana : mahamay ny raharaham-pirenena
Vy tsy mikitrana irery! Tsy mbola vita fa mifanjinja ny samy depiote, andaniny. Mitohy ny tsy fifankahazoana eo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta, ankilany. Manoloana izany, maro ny vondrona, fikambanana, antoko, miantso fitoniana. Mivadika ho disadisa anatiny ao Tsimbazaza ny tohin’ily fitsipaham-pitokisana, nivoaka niditra iny. Misy ireo izay miketrika ny […]
CUA : misy lamina momba ny tsena tsy mahaloa hetra
Hitafa amin’ny mpanao gazety etsy amin’ny Parvis Analakely, anio, ireo mpivarotra ao amin’ny Pavillon Analakely, indrindra ireo nanana olana mahakasika ny fandoavan-ketra. Nisy omaly ny dinika nifanaovan’ny solontenan’izy ireo tamin’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, niarahana nitady ny fomba ahafahan’ny mpivarotra manokatra ny tsenany izay nakatona. Niangavy ny hanohizana ny varotra […]
kariera Sahantona : olona 10 voasambotra
Taorian’ilay savorovoro tao amin’ny kariera Sahantona, kaominina Andohajango, distrika Mandritsara, ny zoma teo. Ankehitriny, olona 10 no voasambotry ny mpitandro filaminana, roa tamin’ireo kosa no mponina avy ao an-toerana. Mbola misy ny karohina momba ity raharaha ity, hoy ny zandarimaria. Maro ihany koa ireo foko antandroy namonjy fodiana taorian’ny korontana. […]





