Nahazo rano ny ampahan’ny mponina eny amin’ny faritra iva, manodidina ny banky SG Madagasikara eny Ankadindramamy, nanomboka ny asabotsy 10 desambra tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo. Vahaolana vonjimaika no nataon’ny Jirama, nitarika rano avy any amin’ny faritra manodidina, satria simba ny milina mampiakatra rano (sur presseur) eny Ambatomaro. […]
Taratra
Iray Volana nomerika: mitaky fitaovana teknolojia vaovao
Nandritra ny volana novambra, nifarimbona ny eo anivon’ny talem-paritra miisa enina eo anivon’ny ministeran’ny Fampiroboroboana sy ny fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT)* eto Analamanga, Mahajanga, Toliara, Fianarantsoa, Toamasina ary Antsiranana, izay nanatontosana ny hetsika «Volana nomerika» (Mois du numérique). Nianaka nanerana an’i Madagasikara ny […]
Krisimasy sanjila : loka isan’andro ataon’ny MVola
Manokatra lalao Tombolà amin’izao fetin’ny krisimasy sy faran’ny taona izao ny MVola, nomeny ny anarana hoe «Krisimasy sanjila». Lalao ahazoana loka isan’andro sy isan-kerinandro ary hisy loka goavana amin’ny 22 desambra 2022. Miisa 131 ny olona hizarana loka amin’izany. Tsotra ny fandraisana anjara. Mahazo ny CBM2 Vola, ampiasana ny karatra […]
Jean de Dieu Rakotondramihamina : sangany amin’ny ady amin’ny kolikoly
Iray tamin’ireo olona valo nankasitrahana ho sangany maneran-tany amin’ny ady amin’ny kolikoly, nandritra ny lanonana nokarakarain’ny Departemantam-panjakana amerikana tany Washington, D.C, ny solontena malagasy, Jean de Dieu Rakotondramihamina, ny zoma teo. Notoloran’ny Sekreteram-panjakana amerikana, Antony Blinken, mari-pankasitrahana amin’ny maha sangany amin’ny ady amin’ny kolikoly iraisam-pirenena azy, i Jean de Dieu […]
Japon sy ny JOCV : “Aoka tsy hiandry fanampiana lava”
Nanome lesona eo amin’ny fomba fiasa sy fitantanana… Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teto Antananarivo, ny lanonana roa sosona nankalazana ny faha-20 taonan’ny Fandaharanasa fandefasana mpilatsaka an-tsitrapo Japoney (JOCV) eto amintsika ary nanamarihana ny andron’ny kolontsaina japoney. Nikarakara izany ny masoivoho japoney misahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena (Jica). Nisolo […]





