Taratra

Niala olona niampita tampoka: kamiao nitondra letisia nivadika tany an-kady

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tao Anjiro Vavatenina, teny amin’ny lalam-pirenena faha-22, oma­ly vao maraina. Hitondra letisia haondrana, nikasa hihazo an’i Toamasina ity kamiao tra-doza ity. Niakatra fiakarana, nivadika tampoka tany an­atin’ny kirihitra ity kamiao ity. Araka ny nambaran’ny mpamily, niala olona niampita arabe tampoka izy ka tsy voatana intsony ny familiana […]

Asan-jiolahy: lehilahy maty voavely “bois rond”, iray hafa naratra mafy

Nikasa hihazo ny trano fenenany, nifanehatra tamin’ny jiolahy ka maty voavely hazo be ny raim-pianakaviana iray ny herinandro lasa teo. Mitady hahazo vahana ny tsy fandri­­am-pahalemana ao amin’ny distrikan’i Betafo. Ny asabotsy lasa teo, mpianaka roalahy hamonjy fodiana any Ambatonikolahy no lasibatry ny asan-jiolahy. Samy voavely “bois rond” izy mianaka […]

Foaran’Atsimo Atsinanana: hiantsoana ny mpampiasa vola

Hotontosaina manomboka anio 25 novambra ka hatra­min’ny 27 novambra 2022 ny foara ara-toekarena ny faritra Atsimo Atsinanana, any Fara­fangana. Nanazava ny atao rehetra mandritra io fotoana io ny Sekretera jeneralin’ny faritra, Atoa Rajaobelina Gérard sy Rtoa Razafitianamalala Muriel, filohan’ny EFOI* Atsimo Atsinanana. Tanjona ny fampahafantarana ny vokatra misy any amin’ […]

Fambolena: hanome 20,20 tapitrisa dolara ny BAD

Faritra 20 amin’izao no heverin’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana hampiana ny tantsaha amin’ny masomboly sy zezika. Izany no atao dia noho ny sondro-bidy amin’ireo akora fototra ireo. Ao anatin’ny fikarakarana ny minisitera amin’izao fotoana izao amin’ny fanangonana masomboly sy zezika. Tantsaha 2000 no hampiana, izay misy sokajiny avy ireo, koa […]