Tontosa ny alatsinainy 23 desambra lasa teo, teny amin’ ny Playbox Analamahitsy, ny “Female Training Camp”, taranja Judo, nokarakarain-dRasoanaivo Razafy Laura. Mpikatroka 30 no namaly ny antso sy naka traikefa tamin’i Laura. Nampiavaka ny fanazarantena ny niarahan’i Nofy (taranja Jiu-jitsu) sy i Roumaica, judokas tompondaka tamin’ny Open De Dakar. Nifampizara […]
Taratra
Rugby : Nivarina D2 ny UASC sy ny FTBA
Nifarana ny alahady 22 desambra lasa teo, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Taorian’ny fahavitan’ny andro faha-11 farany, mivarina any amin’ny D2 amin’ny taom-pilalaovana 2025, ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny FTBA Andohatapenaka. Samy manana isa 17 ny Cheminots […]
Randriamanampisoa Alfred: Kandidà hofidina ho komity mpanatanteraka
Miezaka mivelatra amin’ny sehatra ambony kokoa ny Malagasy. Tazana anatin’ny lisitra hofidiana ho lasa komity mpanatanteraka eo anivon’ny Caf, Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka ny vaovao mahakasika ny lisitr’ireo kandidà maniry ny hiditra anaty komity mpanatanteraka ny kaonfederasiona Afrikanina baolina kitra […]
INDRAY MIJERY
Nandray fepetra manokana ny ATT, mandritra ny faran’ny herinandron’ny fety, hahafahana mamaha ny olana sy mampandeha ny raharaha hatrany. Mbola hisokatra ny ATT amin’ny toerana maro ho an’ireo izay hitondra taxi-borosy na taxi-be ivelan’ny lalana mahazatra ka haka ny fahazoan-dalana manokana amin’izany. Amin’izao ankatoky ny fety izao, manafatrafatra ny minisiteran’ny […]
Tsy fanjarian-tsakafo : Hivoaka ny biletà famakafakana IPC
Havaozina sy arahi-maso hatrany ny toe-draharaha mahakasika ny fiarovana ara-tsakafo any amin’ny faritra marefo indrindra amin’ny loza ateraky ny toetr’andro. Amin’ ny alalan’ny BNGRC no hanatanterahana izany mba hiantraika mivantana amin’ny faritra iasana. Jerena manokana izany ao anatin’ny toe-javatra iray ahitana fiakaran’ny tsy fahatokisan-tena ara-tsakafo noho ny fiovan’ny toetr’andro sy […]