Samy hiakatra kianja, anio, ny CFFA sy ny FC Rouge, eo amin’ny fifaninanana afrikanina. Ho an’ny CFFA, hotontosaina ao amin’ny Kianjan’ny Côte d’Or, Maurice, ny lalao mandroso hihaonan’izy ireo amin’ny Lijabatho Lesotho. Fihaonana tafiditra anatin’ny dingana voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des Champions Caf” izy ity. Ho an’ny […]
Taratra
Rugby – Lalao sakana « Top 12 »: hiady toerana ny Cheminots sy ny RCSA
Hotontosaina rahampitso maraina, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao sakana hiakarana sy hijanonana ao amin’ny fifaninanana Federaly I, “XXL Top 12”. Hifanandrina amin’izany ny USC Cheminots na ny Besetroka sy ny RCSA Anosibe. Fihaonana azo heverina ho toy ny famaranana kely ity hiseho ity satria tsy maintsy hiezaka ny […]
Baolina kitra: mpanazatra ny Barea U23 i Hery Be sy i Boualem Mankour
Miomana amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2027, sokajy U23, ny Barean’i Madagasikara. Efa voatendry ireo mpanazatra hisahana izany. Ho an’ny mpilalao eto an-toerana, i Hery Be ary ny an’ireo any ivelany kosa hataon’i Boualem Mankour. Voatendry ny alakamisy lasa teo Rabearisoa Herimanitra (Hery Be) sy i Boualem […]
Tselatra
Mpanao gazety sady talen’ny famoahana eo anivon’ny fahitalavitra iray no voadonan’ny fiara tetsy Ambohijatovo, omaly maraina. Raha ny fanazavana voaray, niala fiara fitateram-bahoaka ny tenany, voafaokan’ny fiara hafa vantany vao niala. Vokany, naratra noho ny dona mafy nahazo azy ny tenany. Nentina notsaboina haingana any amin’ny hopitaly izy taorian’izay. Zazalahikely […]
40 lahy nanafika tanàna: dahalo telo lavon’ny bala
Nanapoaka basy, naorin’ny dahalo ny omby 70 tao amin’ ny tanàna Ampasimpotsy Ambatolahihazo, kaominina Maroharona, distrika Tsiroanomandidy, ny alin’ny alakamisy 3 septambra. Nirongo fitaovam-piadiana ny dahalo manodidina ny 40 lahy. Raiki-tahotra ny ankamaroan’ny zaza amam-behivavy tao an-tanàna. Nanara-dia nanampy ny mpitandro filaminana ny vatan-dehilahy. Nanao paikady manokana hanakanana ireo dahalo […]




