Taratra

Tsipy kanetibe : Fantatra ireo hiatrika ny “Masters 2025”

Navoakan’ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM) tao amin’ny tambanjotran-tseraserany, omaly, ny anaran’ireo handrafitra n”y ekipam-pirenena hiatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena roa, ny “Masters” sy ny “Tournoi Es­tival”, hatao any France, ma­nomboka ny faran’ity volana ity. 10 mirahalahy izy ireo ka anisan’ireo tafaverina ao anaty ekipa indray i Tiana (Tonnerre). Ankoatra izay, tsy […]

Beach soccer : resin’i Menabe Atsimo Atsinanana

Nisongadina ny ekipan’i Menabe nandritra ny fifaninanana baolina kitra lalaovina eny amin’ny torapasika (beach soccer) tafiditra ao anaty hetsika “Festival Mazavaloha”. Fifaninanana nanomboka omaly, ary tanterahina any Mahajanga. Nomon­tsanin’izy ireo, tamin’ny isa mavesatra 15 no ho 1, ry zareo avy any Atsimo Atsinanana. Ao anatin’ny tanjany tsara, araka izany, ny […]

Barea A’- Cosafa 2025: Mbola baraingo ny mpandimby ny toeran’i Nina

Efa nanainga omaly alina, nihazo any Afrika Atsimo, hamonjy ny fifaninanana afrikanina ho an’ny faritra atsimon’i Afrika “Cosafa”, ny Barea A’. Mpilalao 23 nantsoin’ny mpanazatra Rôrô tamin’izany. Nivoaka omaly, alina, tao amin’ny pejin’ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny lisitry ny Barea, izay hiatrika ny Cosafa 2025, hatao any Afrika […]

INDRAY MIJERY

Taorian’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa stratejika eo amin’i Madagasikara sy Japon, tamin’ny alalan’ny Jica, ny 28 mey lasa teo, tontosa tamin’ity herinandro ity ny fanaovan-tsonia fifanekena eo amin’ ny roa tonta. Momba ny fanomezana fitaovana teknika ho an’ny Lycée téchniques professionnels an’Alarobia, Ampasampito ary Toamasina izany. Hetsika natao tao amin’ny minisiteran’ny […]

Fifidianana CNIDH : Namaky bantsilana ny lesoka Ramananirina Wilfried

“Tsy nangarahara ny fizotran’ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny CNIDH natao farany teo”, hoy Ramananirina Wilfried. Ani­san’ny nandray anjara tao anatin’izany ny tenany. Naha­tsapa goragora sy fanararaotam-pahefana teo amin’ny mpikarakara sy ny vaomiera mpanomana ary ireo teknisianina teo amin’ny minisiteran’ ny Fitsarana izy. Tsy nisy PV ny fifidianana, tsy mazava […]