Hanomboka any New York, Etazonia, anio, ny fivoriambe faha-81 eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU). Anisan’ny hodinihina amin’izany ny amin’ireo Nosy malagasy. Nandritra ny fivoriana faha-80, efa nanapa-kevitra ny ONU ny hanemotra ny fandinihana izany ho amin’izao fivoriambe faha-81 izao. Mampiseho ny tahirin-kevitry ny ONU fa efa nampidirina hatrany tao amin’ny […]
Taratra
TSELATRA
Polisy 30 mianadahy no nanome ra tetsy amin’ny CHRR Bongolava, omaly nanomboka tamin’ny 8 ora maraina. Izay notarihan’ny Talem-paritra sy ny Lehiben’ny Kaomisaria, ny ankoatra ireo kosa nanohy ny asa andavanandro. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny polisim-pirenena malagasy izany hetsika izany. Mbola maro ny hetsika karakarain’izy ireo. Notazomina […]
Mahavoky Anjanahary: Tovolahy iray maty nihantona tao an-tranony
Tovolahy iray, tokony ho 25 taona, hita faty nihantona tao an-tranony, tetsy Mahavoky, fokontany Anjanahary, omaly maraina. Nipetraka tao amin’ny tranohazo mirefy 1 m sy 2m kely iray izy io. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mponina eny an-toerana, mbola tazana nivezivezy teny amin’ny manodidina izy, afakomaly. Tsy nahitana olana […]
Voaroba ny bisikIleta : Lehilahy nisy namono hita faty
Novonoin’ny tsy mataho-tody, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray 39 taona tao amin’ny fokontany Begavo, kaominina Feramanga Avaratra, distraka Ambatondrazaka, ny alin’ny alahady 20 septambra teo. Mivelona amin’ny asa fitaterana olona na entana amin’ny alalan’ny taxi-bisikileta ity lehilahy ity, araka ny loharanom-baovao. Tsy nody an-trano nandritra ny alina izy. Nikaroka […]
Taribin’ny Jirama nianjera : vehivavy namoy ny ainy tao Ambohibary Manjakandriana
Nianjera tampoka ny taribin-jiron’ny Jirama tao Ambohibary Manjakandriana, omaly maraina. Vokany, namoy ny ainy, main’ny herinaratra mahery vaika, ny vehivavy iray. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary sy ny teknisianina. Vehivavy bevohoka iray, 25 taona, matin’ny herinaratra mahery vaika avy amin’ny tariby an’ny Jirama, tao amin’ny fokontany Anosivato I, […]




