Tsy niandry ela. Vantany vao nigadona an-tanindrazana dia noraisin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera sy ireo mpiara-miasa aminy teny Anosy, ny alin’ny talata teo, i Denise. Avy nandrombaka ny anaram-boninahitra “Vehivavy mpanakanto mendrika indrindra aty Afrika Atsinanana izy, nandritra ny “All Africa Music Awards”, izay natao tany Lagos Nigéria […]
Taratra
Kabary : Mivelatra fa mihen-danja?
Marihina, anio, ny « Androm-pirenena ho an’ny kabary ». Zavakanto, kolontsaina, soatoavina, anisan’ny mivelatra be ny kabary raha tazanina amin’ny isan’ny hetsika sy ny olona misehatra ao aminy. Saika ahitana fampianarana sy fampiofanana momba ny kabary ny ankamaroan’ny sekoly, indrindra fa ny tanàn-dehibe. Ny ankamaroan’ny « hetsika », saika ahitana kabary avokoa. Tsy vitsy […]
Ny tantara tsy fanadino : Tsy omen’ny Malagasy hasina ny teniny
Tsy mety tafapaka any amin’ny tontolon’ny fanabeazana mihitsy ny fanomezan-kasina ny teny malagasy. Efa donton’ireo tsindry avy any ivelany ka tsy mahatsiaro tena ho manao valalanamboa ? Fantatra sy voarakitra tsara ao anaty tantara fa «… Raha tonga teto Madagasikara ny misionera LMS (London Missionary Society), ka nanomboka nampianatra, ny taona […]
FANTINA sy FINTINA
Sarotra be ny hitsara ny nahavita fa tomba-maso no hatao, satria tsy voafaritra mialoha ny asa, araka ny fanehoan-kevitry ny tonia mpanatanteraky ny Rohy, Andriamoraniaina Harijaona, momba ny hanaovana tomban’ezaka ny minisitra izay nomena fe-potoana roa volana. « Tsy fantatra mazava ny notakina tamin’izy ireo nandritra ny roa volana », hoy izy. […]
Depiote Rajerison Antoine : “Somary hafahafa ihany ny fanalana depiote”
“Somary hafahafa ihany ny fanalana depiote”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Fivoi, tany Arivonimamo, Rajerison Antoine, omaly, manoloana ny fanalana ireo depiote dimy eny anivon’ny Antenimierampirenena. Tsy fahatongavana na indray mandeha aza mandritra ny fivoriana ara-potoana ny anton’ny fanalana, araka ny fitsipika anatiny. Nefa misy depiote maro […]





