Taorian’ny fanokafana ny fihaonambe “Madagascar Dubaï Business Forum”, izay atao any Dubaï, Emira Arabo Mitambatra, nihaona manokana tamin’ireo sehatra tsy miankina, tao amin’ny Dubaï Chambers ny filoha Rajoelina Andry. Naharitra adiny roa mahery izany ary nisy ny fifanakalozana, fifampihainoana, fifampiresahana malalaka teo amin’ny fanjakana malagasy sy ireo sehatra tsy miankina […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Feno zato andro, omaly, ny nitantanan’ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambonivohitra Mahanoro, faritra Atsinanana, Randriantsarafara Elio. Nifanarahana tamin’ny vahoaka tamin’ny fampielezan-kevitra ny fanaovana tatitra isaky ny zato andro. Koa nisy ny fifanakalozana ny ezaka vita sy ny mbola hatao amin’ny zato andro manaraka: ny fanatsarana tsena, ohatra. Hetahetan’ny mponina amin’ny fokontany […]
Rabary Paul : “Hita eo amin’ny sehatra politika ny fampiasana herisetra”
“Amin’ny ankapobeny, zatra mampiasa herisetra hahazoana mamaha olana… Na eo amin’ny fitaizana ankizy mbola kely izany, na eo amin’ny fifampiresahana ao an-tokantrano, na eo amin’ny disadisa eo amin’ny fiarahamonina… “. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Ny Fireneko sady mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, manoloana ny firongatry ny fanaovana herisetra etsy […]
Faritra Analamanga : Nampiofana ireo ben’ny Tanàna miisa 140 ny MFFT
Tanterahina nanomboka ny alatsinainy teo, hatramin’ny anio, ny hetsika fampiofanana ben’ny Tanàna, ataon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Miisa 140 ireo ben’ny Tanàna tonga niofana tamin’izany. Araka ny vaovao voaray, avy amin’ny distrika fito, amin’ny faritra Analamanga, izy ireo. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo […]
“Dubaï Business Forum”: Ambohi-pihaonan’ ireo mpandraharaha
Tanterahina any Dubaï, manomboka anio hatramin’ny 28 mey 2025 izao, ny fihaonambe ara-toekarena « Madagascar – Dubaï Business Forum ». Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha goavana eo amin’ny sehatra tsy miankina, Emirati sy Malagasy, any an-toerana mandritra izany. Handray anjara amin’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Izy izay hametraka ho laharam-pahamehana ny tontolon’ny fandraharahana, ny […]