Politika

Tatitry ny depiote : nomena alalana ao amin’ny Magro Tanjombato

Nolavin’ny prefektiora ny fanatanterahana tatitra amin’ny vahoaka ny sabotsy izao, eny amin’ny kianjan’ny 13 mai. Na izany aza, nanolo-kevitra ho azy ireo ny “Prefet”, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Namba­rany tamin’ny valin’ny fangatahan’ireo depiote fa anton’ny fandavana ny maha faritra ara-barotra “Zone commercial” ny eny Analakely sy ny manodidina ary maro […]

Raharaham-pirenena : tsy nahitam-bokany ny fifampidinihan’ny FFKM

Naharitra ora roa latsaka fahefany, ny fifampiresahana teo amin’ny FFKM sy ny kandidà ho filoham-pirenena teny Ambohimanoro, omaly. Mitohy ny fifampidini­han’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM) sy ireo kandidà hirotsaka ho filoham-pirenena miisa 13 manoloana ny savorovoro misy eto anivon’ny firenena, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ ny FFKM, ny Pastora Rakoto­zafy […]

Famoaham-baovao: hentitra ny fampahatsiahivan’ ny OJM

Namoaka fanambarana manoloana ny fanehoan-kevitra amina tambajotra sosialy mahazo vahana tato ho ato ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM). Nisy ny fampahatsiahivana momba izany. “Mpamoaka vaovao ami­na orinasa ma­na­na ny sata ara-dalàna maha orinasa fanaovan-gazety azy ny mpanao gazety na manana fanamarinana hoe “free-lance” ka mi­va­rotra ny asa ataony amina […]

Fiatrehana ny fivorian’ny Antenimiera: hanao tatitra eny amin’ny 13 mey ireo depiote

Hetsika hafa indray koa. Nanatitra taratasy fampahafantarana teny amin’ny prefektiora, Tsimbazaza, omaly, ireo depiote voafidy eto an-drenivohitra. Voalaza ao anatin’ izany fa hanao tatitra amin’ny vahoaka eny amin’ny kianjan’ ny 13 mey izy ireo ny sabotsy 7 oktobra izao, manomboka amin’ny 10 ora. Nambaran’ny fampahafantarana fa ireo depiote voafidy amin’ireo […]

Fiatrehana ny fifidianana: hisokatra ny tsenan’asa ho an’ny takelakazon’ny afisy

Anisan’ny nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, natao teny Mahazoarivo, omaly, ny fanomezana tsenan’asam-panjakana ho amin’ny fanamboarana ireo takelakazo, ha­metrahana ny petadrindrina momba ny fifidianana. Natao hampiasain’ny Ceni izany. Etsy andaniny, anisan’ny nankatoavina koa ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tsera­nana amin’ny fanafarana en­tana avy any ivelany momba ny fampidirana […]