Politika

Filohan’ny HCC: “Maro ireo fitoriana nahafeno fepetra”

“Nahatratra 1 529 ny fitoriana voaray, ary nodinihina avokoa. Satria tafiditra ao amin’ny anjara andraikitry ny HCC, ny mpitsara, ireo fitarainana sy fifanolanana momba ny fifidianana solombavambahoaka”. Io ny nambaran’ny fi­lo­han’ny Fitsarana avo mom­ba ny lalàmpanorenana (HC C), Rakotoarisoa Florent, teny amin’ny Lapan’ny fitsarana, Ambohidahy, omaly, taorian’ny famakiana ny lisitry […]

Voka-pifidianana: mipetraka ny fifandanjan-kery ao amin’ny Antenimierampirenena

Navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana,omaly, ny voka-pifidianana ofisialy. Tsy nifanalavitra tamin’ny vato navoakan’ny Ceni izany. Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Ambohida­hy, ny lanonana namoahana ny voka-pifidianana ofisialy, tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024. Miisa 163 ny depiote nofidian’ny vahoaka. Handray ny […]

Famoahana voka-pifidianana: miantso fanajana ny fahamarinana ny FFKM

“Miantso ny FFKM ny hanajana hatrany ny fahamarinana, indrindra ny voka-pifidianana. Fa mariky ny fanajana ny safidin’ny vahoaka izay tompon’ny fahefana izany, ary antoka amin’ny hisian’ny fandriampahalemana sy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra”. Io ny hafatry ny FFKM tamin’ny 23 jona ary nampitainy, afakomaly, amin’ny fiandrasana ny […]

“Manan-danja ny hasin’ ny fitiavan-tanindrazana”

“Manan-danja loatra amintsika ny hasin’ny fitiavan-tanindrazana. Izay indrindra no nisafidianana manokana ny teny faneva fankalazana hoe: Madagasikara mandroso, Ma­l­agasy miara-mientana ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana”, hoy ny filohan’ny Re­poblika, Rajoelina Andry, ta­min’ny kabary fanombohana ny matso teny amin’ny kianja Barea, Mahamasina, omaly, tao anatin’ny fankalazana ny 26 jona. Tandroka aron’ny vo­zona miaro […]

Fetim-pirenena: niarahaba ny Malagasy ny filoha Amerikanina

Nanao fanambarana fiarahabana sy firariantsoa amin’ny anaran’ny vahoaka amerikana ho an’ny filoha Rajoelina Andry sy ny Malagasy amin’izao fetim-pirenena izao ny filoha Joe Biden. “Mirary soa ho anao sy ny vahoaka malagasy amin’izao fankalazanareo ny faha-64 taonan’ny fetin’ny Fahaleovantenan’i Mada­gasikara izao izahay”, hoy izy. Notsiahiviny ao anatin’izany ny fiaraha-miasa maharitra […]