Politika

FANTINA sy FINTINA

Tafaverina ho depiote ireo minisitra telo teo aloha, fony fitondrana Rajoelina. Anisan’izany Sahon­drarimalala Marie Michelle, minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Mara Donna Volamiranty, minisitra teo aloha nisahana ny Serasera sy ny kolontsaina ary Razafinjato Aurelie, minisitra teo aloha nisahana ny Mponina. Navoakan’ny HCC, omaly, ny didy momba izany. Hentitra ny minisitra Fanirisoa […]

Depiote Ralambozafimbololona Fetra: « Hafaingano ny fifidianana sefo fokontany »

Naneho ny heviny manoloana ny fitantanana eny ifotony ny depiote Ralambozafim­bololona Fetra, voafidy tetsy amin’ny boriborintany fahadimy. Nambarany fa efa tafapetraka sy ara-dalàna ny Prefet vaovao. Eo koa ireo sefo distrika rehetra manerana ny Nosy, ka tokony handray andraikitra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany. « Ta­kinay ny hanatanterahana ka hanafainganana ny […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy manadino ny ezaky ny mpitolona ny firenena”

Nitsidika sy nampahery ilay voatifitra tamin’ny tolona ireo filoha mpiara-mitantana efatra mirahalahy. Nambaran’izy ireo fa  mitohy ny fanadihadiana momba ireo fitifirana sy ireo naratra nandritra ny hetsika na koa ireo niharam-boina. “Tsy manadino ny eza­ka nataonareo ny fi­renena. Fitiavan-ta­nin­drazana no nahatonga anao toy izao. Mankahery! Aza kivy… Eo foana izahay […]

Fikaonandoham-pirenena : Mitaky ny hanadiovana ny tokotany ny Panorama

Tsy an-kiandriandry. Efa nanomboka ny fikaonandoha, amin’ny alalan’ny dinika Santatra, ny eo anivon’ny Paikady anorenana ny rahampitson’i Madagasikara (Panorama), natao teny Itaosy, ny herinandro teo. Anisan’ny voaresaka ta­min’izany ny momba ny fanadiovana ny toko­tany, mialoha ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’izany ny lalàm-pifidianana  tokana amin’­ny alalan’ny fanavao­zana ifotony ny fitantanana izany. Eo […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony hitandrina ny fitondram-panjakana ankehitriny manoloana ireo tsindry samihafa ataon’ ireo firenen-dehibe, araka ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika, Paraina Auguste. « Tsy tongatonga ho azy ny niresahan’i Emmanuel Macron nandritra ny fivahinianany tatsy amin’ny Nosy Maurice ny toe-javamisy eto Madagasikara », hoy izy. Tsy mila PDS ny vahoakan’ny kaominina am­banivohitra Marovoay. […]