Politika

Depiote Raby Savatsarah : “Ny fikaonandoham-pirenena no hanafoana na tsia ny Fitsarana avo”

Hotsaraina amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ireo tomponandraikitra, fa tsy ilaina ny Fitsarana avo (HCJ). Nohamafisin’ny filohan’ny Fa­navaozana ny Repoblikan’i Ma­­dagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, izay ta­min’ny televiziona rosianina iray, tamin’ny herinandro. Lasa adihevitra… Natao hitsarana ireo tomponandraiki-panjakana ambony ny HCJ, araka ny la­làmpanorenana. “Ny fi­hao­nam­bem-pirenena tamin’ny 2010 no nametrahana ny […]

Diplaomasia malagasy : Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona afrikanina

Tsy mbola foana ny fampiatoana ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao amin’ny UA. Eo ny fitakiana tondrozotra marimaritra iraisana ho amin’ny fanatanterahana fifidianana. Manamafy ny fahavononana hiara-miasa ny Raharaham-bahiny… Nohamafisin’i Madagasi­kara ny fahavononany hiara-miasa akaiky amin’ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Sadc ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hisian’ny fitoniana maharitra sy […]

FANTINA sy FINTINA

Efa misokatra ny fanadihadiana tamin’ny fihoaram-pefy nataon’ny zandary tamin’ireny hetsika an-dalambe ireny, araka ny nambaran’ny kaomandin’ny zandary, ny Jly Mamelison Mbina Nonos. Niatrika ny famindram-pibaikoana teo anivon’ny vondron-kerin’ny zandarimaria sy ny kaomandin’ny fari-piadidiana ny tenany, ny zoma teo. Hiroso amin’ny sivana amin’ireo dosien’ireo kandidà ho lehiben’ny faritra ny eo anivon’ny […]

KMF/Cnoe : “Mbola manjavozavo ilay fikaonandoham-pirenena”

“Amin’izao, izay resahina rehetra dia hoe any amin’ny fikanandoham-pirenena. Nefa izay aza mbola manjavozavo. Tsy fantatra hoe ahoana ma­rina, miainga aiza, iza no handray anjara, inona avokoa no hodinihina? Ilay fikaonandoha izao no tokony hikaonan-doha”. Io ny fanehoan-kevitry ny fi­loha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena, i Namearison Robert, tany Morondava ny […]

Toromariky ny minisIteran’ny Atitany : Voarara ny mamory mpianatra hitsena manampahefana

Miroso tsikelikely amin’ny fanovana sy fanavaozana. Nilatsaka ny baiko avy amin’ny minisiteran’ny Atitany manoloana ireo fidinana ifotony ataon’ny mpitondra fanjakana. Namoaka didy izy ireo fa tsy azo atao intsony ny mamory olona maro tsy avoakasiky ny fandalovan’ny tomponandraikim-panjakana. Anisan’izany ny mpianatra, ny mpampianatra na koa ireo sampandraharaha teknika tsy anisan’ny […]