Politika

14 oktobra 1958 – 14 oktobra 2025 : Roa sosona ny fankalazana ny fetin’ny Fahafahana

Tsiaro roa sosona no nankalazaina tany Antsohihy, omaly. Ny 14 oktobra 1958, nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny 14 oktobra 2025, nijoroan’ny fitondrana Fanavaozana ny Repoblika. Kisendrasendra? Ny 15 oktobra 1958, ny ampitson’ny 14 oktobra, no nofoanan’ny fanjakana fran­tsay ny lalàna 6 aogositra (loi d’annexion) nanambara fa zanatany frantsay i Madaga­sikara. […]

Firaisankinan’ny ben’ny Tanàna : Tafapetraka ny rafitra FBF ao Sofia

Tafiditra amin’ny fankalazana ny Andron’ny 14 oktobra. Tafapetraka soa aman-tsara ny Firaisankinan’ny ben’ny Tanàna ho an’ny fanavaozana (FBF) ao amin’ny faritra Sofia. Nidina any an-toerana, nanatanteraka fitsidihana ofisialy voalohany ny avy amin’ny birao nasionaly. Nitarika izany ny filoha mpanorina, Randrianam­boariny Jean Pierre, voafidy tany Ambohimarina, distrikan’i Manandriana. Mandrafitra ny delegasionina […]

FANTINA sy FINTINA

Hitohy anio amin’ny fametrahana fehezam-boninkazo eo amin’ny tsangambaton’ny filoha, Tsiranana Philibert, ny fanamarihana ny 14 oktobra any Antsohihy, faritra Sofia. Arahin’ny kabarin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, izany avy eo. Hisy koa ny fitsidihana ny trano fonenan’ny Rain’ny fahaleovantena ary hofaranana amin’ny matso. Hentitra ny antoko Repoblikanina nasionalista. Mivaona amin’ny […]

Antenimierampirenena: Mitaky ny hananany depiote ireo Diaspora

Mbola nanamafy ny fangatahany ny zanaka am-pielezana milaravinahitra any ivelany (Diaspora). Nametraka fitakiana maromaro izy ireo amin’izao fanavaozana izao. Ani­san’ny efa notakian’izy ireo teo aloha ny ahafahany mifidy amin’ireo fifidianana hatao aty Madagasikara. Tsy voatery ho tonga aty vao afaka hifidy, raha ny nambaran’ny solontenan’izy ireo, “Association observatoire de la […]

Filohan’ny Fanavaozana : “Olana sosialy no vahana fa tsy olana politika”

Tsy hisy ny dinika politika, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly, tany Antsohihy. « Olana sosialy no sedrain’ny Malagasy », hoy izy. Natomboka omaly, tao an-drenivohitry ny faritra Sofia, ny fankazalana ny faha-68 taona nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasi­kara. “Fotoana manan-tantara amin’ ny firenena izao, ary olana sosialy no vahana fa […]