“Tokony hiainga any ifotony ny fifidianana”, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, ny faran’ ny herinandro teo, ny amin’ny hoe fanatanterahana fifidianana voalohany amin’ny jolay 2027. Raha milaza ny lalàmpanorenana fa vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ny fokontany, miainga amin’izay ny fifidianana. Hatramin’izao, tsy fantatra izay lalàmpanorenana […]
Politika
Filohan’ny Fanavaozana : “Ny fihavanana no mampandroso”
Tontosa ny faran’ny herinandro, tao amin’ny kaominina Evato, distrikan’i Farafangana, ny fanamafisam-pihavanana teo anivon’ny fikambanana Tohitroky, ivondronan’ny foko valo. “Sarobidy amiko ny fihavanana. Raha tsy mihavana sy mifankatia isika, tsy handroso izany i Madagasikara. Nozarazaraina isika nanomboka tany amin’ny fanjanahantany.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina […]
FANTINA sy FINTINA
I Jean-Marc Grosgurin no masoivoho manokana sady manana fahefana feno, vaovaon’ny Repoblika frantsay, eto Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny didim-panjakana navoakan’ny filoha Emmanuel Macron, ny 7 aogositra lasa teo izany, ary nivoaka tao amin’ny Gazetim-panjakana frantsay, ny 8 aogositra. Izy no nandimby ny ambasadoro Arnaud Guillois. Tokony hifantoka bebekokoa amin’ny fifidianana sy […]
Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana : ”Ny samy Malagasy no mandamina ny firenena”
”Ny Malagasy samy Malagasy no mandamina ny raharaham-pirenena. Ny avy any ivelany dia manohana sy manampy fa isika Malagasy no tompon’andraikitra amin’ny famaritana ny hoavin’ny firenentsika.” Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajanarison Mamitiana teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly, namory ireo sokajin-kery na olona manana solontena ao amin’ny komity teknika misahana ny […]
Filohan’ny Fanavaozana : “Finoanoam-poana ny fakana zaza varira”
Nitsidika ny ivontoeram-pampianarana ireo olona manana toe-tena varira ny Filohan’ny Fanavaozana, omaly. Nambarany, nandritra izany, fa finoanoam-poana ny fakana ireo zaza varira. “Ny finoanoam-poana no mahatonga an’io. Raha olona mitodika amin’Andriamanitra, tsy mahasahy mikitika an’ireto ankizy ireto”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fitsidihan’izy mivady […]




