Nihaona tamin’ireo solontenam-panjakana ao anatin’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa ananan’ny fanjakana petra-bola ny praiminisitra Ntsay Christian, omaly, tetsy Anosy. Nisy hafatrafatra nampitainy tamin’izany. Nambarany fa tokony ho fanoitra lehibe hampandrosoana ny firenena ireo orinasa ireo, ka nanentanany ny rehetra ny hananana fanoloran-tena iombonana amin’ny fitantanana mahomby. Tokony hangarahara ary miompana indrindra amin’ny […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
“Manakorontana firenena ny Irmar ary mila ady. Tsy te hanaiky resy fa te hanao barofo eto amin’ity firenena ity”, hoy ny depioten’ny Firaisankina, i Haja, voafidy ao Mananjary. Nohitsiny fa filana sotasota ny ataon’ny Irmar manoloana ny fanesorana sy fanalana an-daharana ary fanagadrana ireo ben’ny Tanana Mifagnomba, any Mananjary. Namaly […]
Rakotomanana Richardson : “Tsy manohitra tetikasa ny fiarahamonina sivily”
“Tsy vondrona mpanao politika hanohitra na hanohana fitondram-panjakana ny fiarahamonina sivily. Fa sady manampy ny vahoaka izy no manampy ny sampandraharaham-panjakana. Izay ihany no tena andraikitry ny fiarahamonina sivily.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Fiombonan’ny fiarahamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Malagasy na Coalition de la société civile pour le progrès […]
Fihaonana an-tampon’ny COI : Nampitandrina ireo mikasa hanakorontana ny mpitondra
Mbola nanamafy ny efa nambarany ny herinandro lasa ny mpitondra. Hentitra sy nahitsy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, i Mara Volamiranty Donna. “Miara-miasa isika rehetra ary manome toky fa handray andraikitra, raha misy olona miezaka sy manana eritreritra hamboly korontana amin’ny fitiavan-tena sy ny kajikajy politika manokana. Mijoro […]
Sekretera nasionalin’ny Arema: «Tokony hohenoina ny feon’ny vahoaka»
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Arema. Nitodika amin’ny rehetra izy ireo manoloana izao raharaham-pirenena izao. Nambaran’ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, fa efa nampianarin’ny ray aman-dreny hifankatia sy hifanasoa ny Malagasy rehetra. “Aoka isika samy hitady ny hanasoavana ny mpiray tanindrazana”, hoy izy. Notsiahiviny fa nisintona ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny ny Arema […]




