Politika

Fampandrosoana eny ifotony: Napetraka ny drafitra fivoaran’ny tanànan’i Mahajanga

Natolotra amin’ny fomba ofisialy ny herinandro teo ny drafi-panajariana an-tanàn-dehibe an’i Mahajanga “Plan d’Urbanisme Directeur – Pudi”. Tafiditra amin’ny fampandrosoana eny ifotony, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fi­tsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany. Efa nialohavan’ny fankatoavana natao tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 26 marsa 2025 lasa teo izany. Nambaran’ny tomponandraikitra […]

Raharaha CenHoSoa: Hanadihady ny depiote

Manomboka resahana eny Tsimbazaza ny olan’ny hopitaly miaramila. Nambaran’ny depiote fa eo am-piketrehana ny hanao fanadihadiana momba izany izy ireo. Nanapa-kevitra ny sasany amin’ireo solombavambahoaka fa hiroso amin’ny fanadihadiana parlemantera izy ireo manoloana io raharaha io. Anisan’ny mivoy izany ny depiote, Gascar Fenosoa sy ny namany. “Hiroso tsy ho ela […]

Filoha Rajoelina Andry : Nanohana ny fikamba­nam-behivavy ao Nosy Be

Hampiroboroboana ny fandrasain’ny vehivavy anjara amin’ny sehatra ara-tsosialy ao Nosy Be, nanolotra fanampiana manokana ho an’ireo fikambanana misy ao an-toerana, ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Misehatra amin’ny asa fivelomana maro samihafa, samy manana ny fikambanany, ny ankamaroan’ireo vehivavy monina ao an-toerana. Anisan’izany, ireo vehivavy ao amin’ny fikambanana Tia Fandrosoana. Mifantoka […]

FANTINA sy FINTINA

Miditra amin’ny dingana faharoa ny fandaharanasa Padeve, eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fahafaha-miatrika ny loza voanajahary ka hanamboarana “Drain” ao Morafeno sy Ambohimahatsinjo. Nivoitra izany tamin’ny filankevitry ny minisitra tany Nosy Be. Miroso avokoa ny asa fanamboarana fotodrafitrasa eny […]

Fandraharahana “Business Forum”: Hihazo an’i Dubaï ny filoha Rajoelina Andry

Hosokafana amin’ny fom­ba ofisialy amin’ity volana mey ity ny masoivohon’i Madagasi­kara any Emirats Arabo. Hi­ara-dalana amin’izany koa ilay hetsika « Dubaï Business Forum » tanterahina any amin’ity firenena ity. Hanomboka ny 27 hatramin’ny 29 mey izao izany ka anisan’ny mpandray anjara amin’izany i Madagasi­kara, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry […]