Politika

Fitsarana momba ny kaonty: Arahi-maso ny fitantanam-bolan’ny kaominina

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao Fianarantsoa, ny tatitra ampahibemaso momba ny fitsirihana ny fampiasana ireo volam-panjakana. Teo koa ny fanofanana ireo ben’ny Tanàna. Nitarika izany ny eo anivon’ny Fitsarana mom­ba ny kaonty ho an’ny fitsarana ara-bola. Anisan’ny nisongadina koa ny fanentanana sy fampiofanana fohy ireo andraikitra sy lalàna momba […]

FANTINA sy FINTINA

Naneho fiaraha-miory amin’ny Ekar ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Anisan’ireo tonga nitsapa alahelo teny amin’ny Nonce Apostolika sy nanoratra tao aminy boky volamena ny tenany noho ny fahalasanan’ny papa François. Notanterahina teny Ivandry, ny alakamisy teo, izany fanehoana ny fiombonam-po amin’ny mpino katolika izany. Naneho fiombonam-po sy fankaherezana ny […]

Otrikafo Rabevahiny Elia: “Tsy ekena ny fiaraha-mitantana ireo Nosy”

“Tsy ekena ny fiaraha-mitantana ireo Nosy malagasy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia, teny Andravoahangy Ambony, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fanambaran’ny filoha Frantsay fa ny fiaraha-mitantana no hodinihina. Fanekena faharesena sahady manoloana ny adihevitra ny fiaraha-mitantana. An’ny Malagasy ireo Nosy ireo eo amin’ny lafiny […]

Filoha Rajoelina Andry: Niatrika ny fandevenana ny Ray Masina François

Voalevina tamin’ny sabotsy ny Papa François, lehiben’ny fiangonana Katolika Romana. Nanatrika izany, nisolotena ny Malagasy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry mivady Nanainga avy hatrany nihazo ny tany Vatican ny delegasionina, taorian’ny fahavitan’ny fihaonana an-tampon’ny COI, natao teny Ivato. Navoitran’ny fanambarana teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika fa maneho ny fiombonam-po sy […]

FANTINA sy FINTINA

Iaraha-mitantana ireo Nosy malagasy, araka ny fanamafisan’ny filoha Frantsay, raha nanontanian’ny mpanao gazety, afakomaly. Nambarany fa hitohy ny dinika eo amin’ny vaomieran’ny firenena roa tonta, ny 30 jona izao any Paris. “Tsy tokony hisy olana izany fihaonana izany. Mirona kokoa amin’ny fiaraha-mitanana ny Iles Eparses izahay”, hoy izy. Mpitondra fivavahana, […]