Mbola any Frantsa, mihaona amin’ireo Malagasy ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Nambaran’izy ireo fa mahafinaritra ny fifankatiavan’ny Malagasy any an-toerana. «Afaka miady hevitra… Voageja ny vahoaka aty Madagasikara. Tsy afa-maneho hevitra na mahazo fandrahonana… », hoy izy ireo. Anisan’ny nisogadina teny amin’ny CCI Ivato koa […]
Politika
Fahatapahan-jiro teny amin’ny CCI : Handray andraikitra ny fanjakana
“Tokony hijoro hitondra fanazavana ara-teknika amin’ny zava-nitranga ny tomponandraikitra. Aorian’izay, mandeha ny fanadihadiana. Mety hisy ny fandraisana andraikitra”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Mara Volamiranty Donna, teny amin’ny CCI, Ivato, omaly, ny amin’ny fahatapahan-jiro teny amin’ny CCI, Ivato, tao anatin’ny kabarin’ny […]
Fampandrosoana eny ifotony : Nanova ny tanànan’i Morondava ny tetikasa Mor’af
Notanterahina tetsy Ankorondrano, omaly ny atrikasa ho fanamafisana ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Tafiditra anatin’izany ny tetikasa “Morondava Adaptation Fund – Mor’af”, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nivoitra tamin’izany fa tetikasa mamaly ny hetaheta eny ifotony ny Mor’af, niarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka. “Miova endrika izao ny […]
Ben’ny Tanànan’Antananarivo: Ezahina ny fanavaozana sy fanadiovana ny tanàna
Nanatanteraka fitsidihana teny anivon’ny toerana maro samihafa eto Antananarivo ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, afakomaly. Anisan’izany ny farihin’Anosy, ny tunnel Ambanidia, ny lapan’Andafiavaratra sy ny maro hafa. “Averina amin’ny endriny taloha ny farihin’Anosy ary mitohy ny fanadiovana manodidina an’Anosy mba hitondrana fanavaozana sy fanatsarana ny tanàna”, hoy izy. Toy ny […]
Fanaovan-gazety : 70 taona ny Imongo Vaovao
22 avrily 1955-2055. Feno 70 taona ny gazetin-kevitra Imongo vaovao, nomarihina teny Ampandrana, afakomaly, notarihin’ny tomponandraikitra Rabesahala Jean Luc. Notsiahiviny fa fameloma-maso ny asa sy ny foto-kevitra navelan’i Jean Ralaimongo no tanjona. Tao anatin’ny vanim-potoana nitakian’ny zanatany fahaleovantenany no nahaterahan’ny Imongo Vaovao. Niaina ireo vanim-potoana fanjanahantany izy, ny fanjanahantany tamin’ny […]





