Politika

FANTINA sy FINTINA

Nanentana ny rehetra ho mailo ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Nambarany fa marobe ny mpisoloky ara-bola amin’izao fotoana izao. “Ao ireo milaza fa mampindram-bola na mahavita mampitombo vola, na manampy ara-bola. Maro ny mpisoloky amin’izao fotoana izao”, hoy izy. Nametraka samboady ireo ben’ny Tanàna voafidy […]

Lisi-pifidianana : Afaka manitsy ireo diso ny olom-pirenena

Hiverina tsy ho ela eny amin’ny fokontany ny lisi-pifidianana nasiam-panavaozana, araka ny nambaran’ny mpampankatenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika. “Mbola afaka mangataka fanitsiana ireo olom-pirenena mahita fahadisoana amin’ny mombamomba azy ao ana­tin’izany lisi-pifidianana nasiam-panavaozana izany”, hoy izy. Nambarany fa hifarana sy hikatona tanteraka any amin’ny 15 mey any ho any izany lisitra […]

Filoha Rajoelina Andry : “Tsy omena fotsiny ny mariboninahi-pirenena”

Nanatrika ny fanombohan’ny fivorian’ireo mpikambana eo anivon’ny filankevitry ny mariboninahi-pirenena ny filoha Rajoelina Andry. Nisy hafatrafatra sy toromarika nomeny tamin’izany. “Tsy omena fotsiny ny mariboninahi-pirenena, fa natokana ho an’ny olona tena nanao ny asany mivaingana sy azo tsapain-tanana ho an’ny firenena”. Io ny nambaran’ny filo­han’ny Repoblika sady lehibe faratampon’ny mariboninahi-pirenena, […]

Fikambanam-behivavy : Tafajoro ao Mahajanga ny Famedev

Famedev, « Femmes en Action, Media, Genre et Développement », manitra hatrany ny sehatra iasany sy hitondrany fampandrosoana. Efa ahitana mpikambana eo anivon’izy ireo koa izao ny amin’ny faritra Boeny, ao Mahajanga. Ani­san’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fankalazana nasionaly ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy tany Mahajanga ny fikambanana, ny […]

FANTINA sy FINTINA

Samy nandefa solontena nankalaza ny 8 marsa niaraka amin’ny vehivavy Tim Analamanga ireo avy amin’ny distrika manodidina, ny sabotsy teo. Nomarihina tamin’ny alalan’ny diabe, niainga teny amin’ny foiben’ny antoko teny Bel Air izany ary nihazo ny teny amin’ny Magro Behoririka. Nisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana tamin’izany. Hentitra sy nahitsy ny lahatenin’ny […]